airtel

Politique

11-janv-2024

KAOMININA TALATAMATY

« Tanteraka ny 80%-n’ny vina napetraka tao anatin’ny 4 taona »

Sample post image

Ny 80%-n’ny vina napetraka no tanteraka tao anatin’ny kaominina Talatamaty,

11-janv-2024

distrikan’Ambohidratrimo tao anatin’izay efa-taona nitantanan’ny Ben’ny tanana Raharinoasy Elie Dominic izay. Ny 20%-n’ny asa sisa araka izany no hotohizany raha sitrapon’Andriamanitra miankina amin’ny fandaminana hapetraky ny tompon’andraikitra eto amin’ny tany sy ny firenena hoy izy. Afa-po tamin’ny asany vitany ity Ben’ny tanana ity tamin’ny ankapobeny raha araka ny tafa fohy nataony tamin’ny mpanao gazety omaly . Na izany aza dia mbola vonona ny tenany hanolo-tena ho amin’ny fanasoavana ireo vahoaka ao Talatamaty, indrindra fa amin’ny resaka foto-drafitrasa. Hamboarina avokoa ireo lalankely sisa tsy vita tamin’ny taon-dasa raha araka ny fanazavany. Hojerena akaiky ihany koa ny lafin’ny fandriampahalemana raha tsy latsa-danja amin’izany ny sosialim-bahoaka. Ho an’ity farany manokana dia marobe ireo ezaka efa natao hoy hatrany ity Ben’ny tanana ity. Anisan’izany ny fanamboarana sekoly ka hisy ny vao hotokanana amin’ity taona vaovao ity. Efa nisy ny fametrahana jiro manazava ny tanana, ny fananganana paompin-drano fisotro madio, ny fitondrana ireo mpianatra afaka baka nanao vakansy tany amorontsiraka, ny fanomezana fitaovana sy masomboly ireo tantsaha mpamokatra, ny fanofanana ny tanora….Tsiahivina moa fa tapitra omaly Alarobia 10 Janoary ny fepotoam-piasan’ireo Ben’ny tanana miisa 1800 manerana ny Nosy. Betsaka ireo mbola nanohy ny asany araka izany hatramin’ny omaly mandrapiandry izay fanapahan-kevitra havoakan’ny Ministeran’ny Ati-tany amin’ny herinandro ho avy io.
Pati
Legende : Izy no Raharinoasy Elie Dominic, Ben’ny tananan’ny kaominina Talatamaty !
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap