Maro anefa ireo fitarainana voaray teny anivon’ireo fokontany nanaovana fanadihadiana. Misy ny milaza fa olona efa maty tamin'ny 5 taona mahery no mbola tafiditra ao anaty lisitry ny mpifidy, izany hoe olona efa tsy nifidy tamin'ny taona 2018, ary misy kosa ireo olona tokony hifidy nefa tsy ao anaty lisitra. Misy amin’ireo efa nanamarina ny anarany tanaty lisitra koa no tsy isan’ireo naterin’ireo tomponandraikitry ny fokontany teny amin’ny fonenany avy ny karatra tokony ho entiny mifidy fa dia hoe andao hiaraha-mijery ao amin’ny biraom-pokontany, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray teny amin’ny boriboritany faha 3 teny. Mampametra-panontaniana ny mpanara-baovao etsy ankilan’izay ny kalitaon’ireo karatra hoe tena mampiseho ny fahavononan’ny firenena hiatrika fifidianana tokoa ve ary tena manaraka ny fenitra mifandraika amin’izany?
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby