airtel

Politique

16-janv-2023

Politique

Kenda tanteraka ny fitondrana Vola hampiodinan-draharaha aza ifampitadiavana…

Sample post image

Nitondra fanazavana mikasika ny resabe amin’ny mety hisian’ny fanontana vola tsy misy antoka na “planche à billet” ny Banky Foiben’I Madagasikara, tamin’ny alalan’ny naoty fanazavana ny 14 janoary 2023 teo,

16-janv-2023

nampitaina tamin’ny fampahalalam-baovao ara-panjakana iray. Notsipihana tao anatin’io naoty io izay miendrika toromarika sy soso-kevitra na “recommendation”, fa raha misy ny fepetra raisina dia tokony hifandraika amin’ny famatsiana ny famokarana. Ohatra amin’izany ny fanompanana vola ho amin’ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina. Raha tsy izany, ny famoronana vola dia tsy misy afatsy ny fiakaran’ny vidim-piainana na “inflation” sy fitotonganan’ny vola Malagasy. Voka-dratsiny ny fidangan’ny vidin’entana eny an-tsena izay tsy ho zakan’ny vahoaka mihitsy. Azo eritreretina kosa ny fanekena ny handrotsahana amin’ny Fanjakana vola mialoha haverina, izay hanentsenana ny tsy fahampiam-bolam-panjakana, ary anisan’ny voaresaka ao anatin’izany io. Azo eritreretina ny hidirana amin’io endriny io raha toa ka manome baiko sy toromarika miantefa amin’ny BFM ny Fanjakana. Amin’ny maha bankin’ny Fanjakana azy, ao anatin’io ny Volam-panjakana izay kaonty hoenti-mampiodin-draharaha tsy maintsy misy vola hatrany. Afaka maka vola haverina (avance remboursable) mialoha hatrany amin’ny 5,0% amin’ny vola miditra mahazatra amin’ny governemanta nandritra ny fampidiran-ketran’ny taona iray teo aloha. Misy fepetra tsy maintsy arahina anefa dia ny fampidinana ny tsindry ara-ketra izany hoe mahaleotena ny politika ara-ketra entin’ny Fanjakana mba hahomby ary foanana ny endrika famoronam-bola rehetra miteraka fidangan’ny vidim-piainana. Ho vahaolana vonjimaika, mba hanentsenana ny tsy fahampiam-bolam-panjakana, dia namintina sy nandroso soso-kevitra mitarika any amin’ny paikady hafa hahazoana loharanom-bola amin’ilay alalan’ilay hoe « émission des publics (BTA, BTF,…) » ny BFM. Miharihary hatrany fa tsy manam-bola ampy intsony ny Fanjakana, ary efa somary niditra tamin’io endrika «Bon du trésor » io
MILA MITSITSY FA TSY BE “WERAWERA”
Ny fampiodinan-draharaha aza manahirana, ka sarotra ny inoana fa hisy fahagagana momba ny asa fampandrosoana tanisaina etsy sy eroa. Milaza ny Mpitondra fa fomba fanaon'ny Tahirim-bolam-panjakana ary manome tombon-dahiny ireo orinasa tsy miankina tahaka ny Tranom-piantohana, ny banky,.... ity resaka “bon du trésor” ity satria manome zana-bola izy ireny. Maro kosa ny olom-pirenena maneho, fa tokony hifehy tenda ka hiditra amin’ny antsoina hoe: “restriction budgétaire” ny Fanjakana. Manao ilay hoe: “politique d’austérité” ka izay zavatra tsy maintsy sy tena ilaina ary mifandraika amin’ny olana sy ny fiainam-bahoaka no tena handaniam-bola, miditra amin’ny politikan’ny fitsitsiana fa mbola be “werawera” ihany ao anatin’izao efa olana goavana izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap