airtel

Politique

11-mai-2023

Politique

KMF-CNOE Miantso ireo tsy hihoatra ny 3 - 5% mba tsy o kandida

Sample post image

Namoaka fanambarana indray omaly ny KMF-CNOE Fanabezana olompirenena, ka nanamafy fa hiroso amin'ny fanavaozana ny fampindramam-pahefana amin'ny alalan'ny fifidianana i Madagasikara tsy ho ela.

11-mai-2023

Izay lanin'ny maro an'isa eo no hitondra indray ny Firenena ao anatin'ny dimy taona. Efa tafiditra tanteraka amin'ny fotoana mialoha izany fiatrehana ny fifidianana izany i Madagasikara ankehitriny. Mba hisian'ny fifidianana malalaka, ekena, andraisan'ny rehetra anjara sy hisian'ny fitoniana ary hampisehoana ny fahamatoran'ny fanaovana politika eto Madagasikara, nanao tolo-kevitra ny KMF-CNOE, ka nilaza fa aoka izay ny fanaovana mpikaraman'ady politika. Anisan'izany ny fampisehoana fihetsika toa mafana fo amin'ny fanohanana, ny filatsahana ho isan'ny kandida na dia fantatra mialoha fa tsy hihoatra ny telo na dimy isan-jaton' ny vato aza no ho azo. Ny tena tanjona anefa dia ny hivarotana vato sy hahazahoana toerana fotsiny aorian'ny fifidianana. Miantso ny feon'ny fieretreretan'ny mpanao politika, ny mpanohitra sy ny hery afovoany ary ny mpitondra mba hahay hifandamina ka hanolotra kandida roa na telo farafahabetsany izy ireo. Nambara fa sady manakely ny fandaniana io no manatsara ny kalitaom-pifidianana, ary manamora ny safidin’ny olona. Maniry io fikambanana io mba ho kandida vokatry ny marimaritra iraisan'ny isam-pirehana no hirotsaka. Faharoa, mahakasika ny fitakiana ny mangarahara eo amin'ny tombontsoa lazaina fa mihoampampana raisin'ireo mpanao politika eo amin'ny fitondrana kosa, nilaza izy ireo fa tsy misy tsy milaza ary miharihary toa tafika andrefan-tànana fa mahantra ny Malagasy. Mandray vola mihoampampana anefa ny mpanao politika nampindramina fahefana eto Madagasikara. Mitaky ny hamoahan'ireo lehiben'ny andrim-panjakana tombontsoa raisin'izy ireo avy mba ho fantatry ny olompirenena ny KMF-CNOE. Manomboka any amin'ny Filohan'ny Repoblika, mandalo eo amin'ny Governemanta ary ny Antenimierandoholona sy Antenimierampirenena. Mitaky ny hanaovan’ireo olom-boafidy indrindra ireo nampanantena tsy handray karama tatitra ny asa nataony ihany koa. Nsaisin’izy ireo tsindrim-peo ihany koa ny tsy tokony ho fitanilana ara-politikan’ny mpiasam-panjakana na « neutralité des fonctionnaires », ka nahitsy izy ireo nilaza fa natao ho elanelana eo amin’ny mpanapa-kevitra politika fa tsy natao hanompo ny mpanao politika. Nanamafy ny fitakiana ny hamoahana ny tetiandron'ny fifidianana kaominaly ihany koa moa ny KMF-CNOE.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-sept-2023

Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana

Card image cap
22-sept-2023

Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay

Card image cap
22-sept-2023

Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,

Card image cap
22-sept-2023

Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,

Card image cap
22-sept-2023

Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,

Card image cap
22-sept-2023

Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.

Card image cap