airtel

Politique

27-avril-2023

Politique

KOHEN RIVOLALA « Potika ny firenea, mila manova mpitondra isika »

Sample post image

Tsapa ankehitriny fa tena tsy misy raharaha mandeha intsony mifandraika amin'ny fiainam-bahoaka ankapobeny sy ny lafiny sosialy ary toe-karena eto amin'ny firenentsika hoy

27-avril-2023

ny Kohen Rivolala raha naneho hevitra momba ny toe-draharaham-pirenena ny tenany omaly!olom-bitsy hoy izy no migalabona sy manao ampihimamba ny harem-pirenena sy toe-karena ka zary mampilentika lalina ny fiainam-bahoaka tsy mandady harona. Tsy misy tsy mikaikaika momba ny vidim-piainana,ny tsy fandriam-pahalemana,ny faharatsian-dàlana manerana ny Nosy,ny tsy fisian'asa hoan'ny tanora sns.. ny rehetra hoy izy. Potika i Madagasikara hoy i Kohen Rivolala ,mila manova mpitondra mihitsy isika raha tiana ny hanarina izany rehetra izany araka ny nambarany nanoloana ny mpanao gazety! Amin'ny alalan'ny fifidianana madio sy eken'ny rehetra ihany anefa no lalana hahatongavana amin'izany hoy izy.
AVELAO HALALAKA
Vao tsy manomboka akory anefa ny lalao hoy ity Filohan'ny Antoko politika CCDM ity dia efa miharihary ny lalao maloton'ny mpitondra amin'ny fanakan-tsakanana ireo heveriny fa ho mpifanandrina vaventy aminy toa ny Filoha teo aloha Ravalomanana Marc sy ry Siteny Randrianasoloniaiko mbamin'ireo kandida hafa,avelao halalaka ny rehetra amin'ny fanehoan.-kevitra hataony hoy Kohen raha tena sahy hiatrika fifidianana madio sy eken'ny rehetra marina ny Filoha Rajoelina! Na ny CENI sy ny HCC aza mantsy hoy izy dia efa nilaza fa azo ataon'ny rehetra ny maneho hevitra malalaka rehefa tsy miteny fotsiny hoe " Fidio aho na oe Fidio i Rakoto na Rabe"!koa nahoana no nasaina namoaka didy ny Minisitry ny ati-tany hanakantsakana ny sasany ankoatry ny mpitondra amin'izao fotoana hoy ny Kohen Rivolala!? Tokony hovàna mihitsy ny lalam-pifidianana misy ankehitriny ka hatao hahafahan'ny rehetra mirotsaka malalaka sy hanana vintana holany ka raha izay no tanteraka dia na ny tenako aza mazoto hirotsaka ho kandida Filoham-pirenena hoy hatrany ity mpitarika Antoko politika ity!Fa raha izao rafitra hitantana ny fifidianana amin'izao fotoana izao no tsy miova hoy ny Kohen dia aleo tsy mandany vola akory hirotsaka fa mbola hanjaka indray ny hala-bato ka ny mpitondra amin'izao fotoana ihany no hoterena holany eo amin'ny fomba rehetra!Tsy vitan'ny politika politisiana intsony anefa ny fitantanana ny firenena raha ny heviny fa mila olona mahalala tsara ny tontolo ara-panahy sy ny nentim-paharazana raha te ho tafavoaka isika.
Pati
 

Dans la même rubrique

26-sept-2023

Handefa iraka manokana eto Madagasikara ny avy amin’ny Firenena Mikambana, hanara-maso sy hijery ny toe-draharaha

Card image cap
26-sept-2023

Higadona eto amintsika manomboka rahampitso Alarobia 27 Oktobra ny firenena mikambana na ny ONU

Card image cap
26-sept-2023

Tsy maintsy hisy hanaraby ny irak'Andriamanitra, hoy ny antoko politika Kristianina manao politika!

Card image cap
26-sept-2023

Hamory ireo mpiara-dia aminay ao amin'ny "Palais des Sports" Mahamasina izahay kandida ny zoma ho avy izao,

Card image cap
26-sept-2023

Miha mandroso ny fotoanan’ny fifidianana raha ho voatazona amin’ny 9 novambra ihany satria afaka iray volana roa volana eo dia higadona izany.

Card image cap
26-sept-2023

Distrika 2 ao amin’ny faritry vakinakaratra indray no notsidihin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina ny alahady 24 septembra teo.

Card image cap