no kandida solombavambahoaka ho an'Antananarivo avaradrano sy Toamasina voalohany. Tsy andrakandrana na kilalao no atao fa tena fitondrana ny anjara biriky amin'ny fanovana tsy maintsy apetraka eto amin'ny firenena. Efa nisy ny tolona sy diabe ho an'ny fanovana natomboka tamin'ny taona 2023, tohizana izany ankehitriny satria mbola tsy vita ny tolona hoy i Hajo Andrianainarivelo omaly. Eo ihany koa ny famerenana ny hasin'Antananarivo ary mazava ho azy ny fitondrana ny feo ny hetahetan'ny vahoakan'Avaradrano.
TANY TAN-DALÀNA
Mametraka ho laharampahamehana ny ady amin'ny fitantanana tsy mendrika sy ny fanaparam-pahefana i Roland Ratsiraka. Efa naverimberina matetika fa tena manampatra fahefana ny mpitondra amin'izao fotoana, manao izay tiany, manao didin'ny be sandry. Tsy azo ekena izany fa tsy maintsy apetraka eto aloha ny tany tan-dalàna sy ny fanjakana tsara tantana, ny fanapariaham-pahefana, fanapariahana ny volam-panjakana sy ny fitaovana manerana ny nosy mba tena hahomby ny famokarana sy fanodinana vokatra ary ny fampiroboroboana ny indostria.
KANDIDA AMINA DISTRIKA MARO
Efa maro ny resaka sy fanazan-kevitra, miroso lalina kokoa amin'ny fampiharana sy fandraisana andraikitra eo anivon'ny fitantanana ny firenena amin'izay ankehitriny ny kolekitifa an'ny Malagasy ka izay ny antony nanolorany kandida amina faritra maro manerana ny nosy.Distrika manodidina ny 30 ep ho eo no hananan'ny kolekitifa kandida raha ny fantatra.Maro amin'ireo no distrika stratejika sy manana ny maha izy azy toa an'Antananarivo renivohitra, Manjakandriana, Toamasina, Fianarantsoa, Ambositra, Fandriana...Mametraka ihany koa ny kolekitifa an'ny Malagasy fa mila mandray andraikitra amin'ny fiainam-pirenena ny vehivavy, ny tanora, ny manampahaizana, ny mpahay lalàna, ny teknisiana amina sehatra marolafy, ny mpanao politika mazava ho azy. Hita taratra any amin'ny firafitr'ireo lisitra natolotry ny kolekitifa ho an'ny Malagasy izany.
TENA FANOVANA
Solombavambahoaka sahy mijoro , manara-maso ny asan'ny mpanatanteraka, hanaja sy hampanaja ny lalàna velona, tena mitatitra any amin'ny mpitondra ny hetahetam-bahoaka no ilaina eto fa tsy mpanangan-tanana sy mpitaky tambin-karama isaky ny mivory fotsiny.Ny vahoaka sy ny tanindrazana aloha, ary tsy mila gidragidra fa azo atao tsara ny mampandroao firenena ao anatin'ny fifampiresahana ay fihavanana.Izay no anton'ilay teny filamatry ny Kôlekitifa hoe "Fihavanana ho an'ny Fanovana, Manomboka eto ny Fanovana "
RTT
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny