airtel

Politique

28-mai-2024

Kolekitifa an’ny Malagasy

« Manohitra mba hisian’ny fandrosoana »

Sample post image

Efa tena resaka matotra ary niadiana hevitra teo anivon’ny Kolekitifa an’ny Malagasy ny maha zava-dehibe ny

28-mai-2024

fitsinjaram-pahefana miaraka amin’ny fitsinjarana ny volam-panjakana hanafainganana ny fampandrosoana isam-paritra, ary lalan-tsaina nentina ao anatin’ny fiatrehana ny fifidianana, raha ny nambaran’i Tahina Razafinjoelina omaly. Nisafidy ho olona vitsivitsy tena atokisana na betsaka aza ny tsy miankina nangataka hitondra ny anaran’ny kolekitifa,… Betsaka mantsy ireo rehefa tonga ao dia mety hananga-tànana fotsiny, tsy afaka hanery ny mpanatatanteraka amin’ny fitsinjaram-bolam-panjakana,… Ny tetibolam-panjakana nofifidianana teto hatramin’izay, dia lany tsy nasiam-panovana ka atao inona ireo solombavambahoaka ? Ahoana ohatra ny fanamboaran-dalana, famokarana, famoronan’asa, fanangananaorinas asany amin’ny faritra ? Mby aiza ohatra no tohin’ny fahapotehan’ny làlana izay tsy nanaraka ny kalitao izay asana solombavambahoaka ? Nahitsy i Tahina Razafinjoelina naneho, fa tena mila hentitra miresaka an’izany amin’ny fahefana mpanatanteraka ny solombavambahoaka. Manana kandida vitsivitsy tena atokisana ny kolekitifa an’ny Malagasy, tena zava-dehibe ny fahatokisana io no fototra iaingana. Tsy olona voavidy vola sy mora mivadika ireo, olona tena atokisana ny an’ny kolekitifa ireo. Mahafantatara tsara ireo fa manana fahefana lehibe sy adidy lehibe ao amin’ny faritra nahalany azy ny solombavambahoaka.

AZA MANAIKY HO RESIN’NY FAMPANANTENANA POAKATY
Mampanantena poakaty ny olona iray satria mety tsy hainy akory ny asany, ka tsy asan’ny depiote ny asa sosialy. Ohatra milaza fa mpanao nify dia rehefa tonga ao aminy ny olona mararay nify dia hoy izy hoe ao ianao omena akanjo tsara be. Akanjo kely zaraina iny tsy hahavita ny ho avinao fa tandremo. Hahavita hizara menaka isan’andro ary ve ny fitondrana ? Efa izao no zava-misy kanefa tsy voaloan’ny fanjakana ny volan’ny jirama mbola manao zavatra kisehoseho kilalaon-drano indray eny Analakely. Ny bidon jaune anefa milahatra be eraky ny tanana..tsy manana rano ny olona. Mitodiha amin’ny famokarana, hoy i Tahina Razafinjoelina avy amin’ny Kolekifan’ny Malagasy omaly.

MANOHITRA MANKANY AMIN’NY FAMPANDROSOANA
Mpanohitra manolotra soso-kevitra ny kolekitifa, fantatray fa mahay propagandy ianareo, fa andao indray mba hiady amin’ny fahantrana, andao hamokatra,… Tsy manana toe-tsaina hifaninana sy hiseho milay ny kolekitifa an’ny Malagasy, tsy ny mifaninana no tanjona ka hoe handresy an’i ranona sy ranona. Ny fahantrana no mila resentsika, mitaky fiaraha-miasa, fifanomezan-tanana sy asa izany fa tsy hoe andao hifaninana sy hifampidera fahaizana eto. Tsy vitan’ny resaka anarana sy voambolana (tosika, fihariana, manarapenitra…) ny fampandrosoana fa ataovy, aparitaho ny vola sy fitaovana hiasan’ny isam-paritra. Tadidio fa tena henjana ny tsy fandriampahalemana , tsy maitsy terena ny fitondram-panjakana hanaparitaka ny volam-panjakana natokana ho amin’ny fametrahana ny fandriampahalemana manerana ny nosy, hoy hatrany i Tahina Razafinjoelina fa ny eto amin’ny Faritra manodidina an’Antananarivo toa an’Ankazobe, Anjozorobe, Manjakandriana,… aza tena henjana, mainka fa ny faritra hafa.
Toky R


 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap