fampielezan-kevitra tao anatin’ny 3 herinandro dia ny kandida Andry Rajoelina, Siteny Randrianasoloniaiko, ary Sendrison Daniela Raderanirina, raha ny tatitry ny Transparency International-Initiative Madagascar ny talata teo. Raha amin’ny ankampobeny fotsiny, rehefa natao ny tombana tany amin’ny toerana nandalovan’ny kandida, mbola tsy nampidirina ny resaka mpanakanto, tao anatin’ny toerana miisa 14 dia 2,4 miliara Ar eo raha kely indrindra no lanin’I Andry Andry Rajoelina satria raha ny salan’isa nataon’ny TI-IM dia 116 240 000Ar raha kely indrindra ho an’ny toerana nolalovany fotsiny, fa ny hetsika hafa tsy voaresaka. Miampy ny fampiasana haino aman-jery dia tafakatra hatrany amin’ny 1 miliara Ar ny fandaniana nataon’I Andry Rajoelina raha kely, ary manodidina ny 2 miliara Ar kosa ny an’ny kandida Siteny Randrianasoloniaiko, ary 28 tapitrisa Ar eo ny an’ny candida Raderanirina Sendrison Daniela. Raha ny kajikajy sy tombatombana nataon’ny TI-IM ho an’ny fandaniana ankampobeny, dia mampiasa angidimby 3, fiaramanidina iray, ary farafaharatsiny misy fiarakodia iray hihetsehana ny Kandida Andry Rajoelina. Manodidina ny 800 euros (3 850 976 ariary) ny ora iray amin'ny fampiasana angidimby. 1 200 euros (5 776 464 ariary) raha miaraka amin'ny mpanamory. Manodidina ny 50 tapitrisa ariary eo ho eo ny hofan'ny angidimby iray isan'andro raha tombanana. Misy ny fizarana fanamiana ataon'ireo kandida izay tombanana ho 3 000 ariary ny hanafarana ny iray avy any amin'ny firenena hafa. Mitotaly 6 tapitrisa ariary izany raha mizara fanamiana 2 000 isa isaky ny hetsika ireo kandida. Tombanana 15 tapitrisa ariary ny fandaniana amin'ny fanamafisam-peo sy ny fampitaovana rehetra ary ny fitanterana. 200 000 ariary isan'andro ny hofana fiarakodia (4X4), ka nivoahan’ilay tombana ho 116 240 000 ariary ny hetsika iray. Toerana 14 no nalehan'ny kandida Andry Rajoelina, mitotaly 2 miliara ariary mahery ny fandanina nataony. Nampiasa angidimby 2, fiaramanidina iray ary fiara iray farafahakeliny ny tenany mandritra ny fampielezan-keviny ny candida Siteny Randrianasoloniaiko. 116 240 000 ariary ny hetsika iray nataony, izay mitotaly 1 394 880 000 ariary izany ao anatin'ny 12 andro rehefa natao ny tombatombana.
KOLIKOLIM-PIFIDIANANA GOAVANA
Ny olana dia tsy mazava ny loharanom-bola, kanefa ny fandaniana mihoampampana. Maro ny endrika kolikolim-pifidianana ataon’I Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fampiasam-bola sy fividianana mivantana na ankolaka, raha raisina amin’ny tatitry ny TI-IM hatrany. “Misy ihany koa ny tranga izay hita tao anatin’ny fanadihadiana nataonay dia ny fizarana vola ataon’ny kandida, ka voatonona ny kandida laharana laharana fahatelo: fizarana vola 30000Ar mba hidirana ao anatin’ilay fampielezan-kevitra fanohanana azy, fahazoana karatra ho an’ireo izay miditra ao anatin’ny antokony dia mahazo t-shirt sy pancarte hoentina mihetsika izay misy takalony. Ny mampanahy ao anatin’izany dia misy an’ireo olona izay nandray io vola io manao fijoroana vavolombelona fa ampanasoniavina taratasy izay tsy fantatra mazava izay ao anatiny fa misy milaza ihany koa hoe: misy biletam-pifidianana efa voamarika na “précoché”, hoy Rtoa Ketakandriana Rafitoson Tale mpanatanteraky ny TI-IM. Notsipihiny fa nisy ny fijoroana vavolombelona, saingy ao anatin’ny fanamarinana izy ireo, kanefa na izany na tsy izany, dia tsy afaka ny tsy hilaza izany satria raha tena marina dia tena kolikoly ara-pifidianana mirangangaranga ka mampametra-panontaniana hoe: mbola tany tan-dalàna ve I Madagasikara? Hoy hatrany izy. Manampy trotraka ireo efa tsy fihetezana efa iaraha-mahita ao anatin’ny zotram-pifidianana, hoy hatrany ny TI-IM. Ny faha-14 oktobra ohatra, dia nisy fizarana ticket isan-tokantrano, misy “matricule” sy anarana sy fanampiny, misy “QR Code” ka ny olona nandray an’io dia tany amin’ny fokontany no voalaza fa nakana ny mombamomba azy, izay tsy ara-dalàna, ary mitsikombakomba izany ny fokontany. Ao ny fizaran-javatra, fa misy ny ampanantenaina vola amin’ny fotoanan’ny latsa-bato, ary mbola ampanantenaina fisitrahana tosika fameno sy vatsy tsinjo ihany koa rehefa lany ilay kandida, raha ny tatitra. Ahiana ihany koa mazava ho azy ny fisiana fividianana ireo mpikirakira fifidianana.Avy aiza ireo volabe? Inona no tambiny avy amin’ny mpitondra sy ny firenena? Moa tsy ny harem-pirenena aondrana lava amin’ny fomba gaboraraka io no tambiny? Fifidianana madio sy milamina ary mangarahara sy eken’ny rehetra inona no ho vanona ao anatin’izany? Firenena inona no handroso amin’izany?
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby