amin’ireo ivon-toerana nisahana ny fandrindrana sy fanentanana ny propagandin’ny kandida laharana faha-3 Andry Rajoelina ny sabotsy teo. Tena nitangorona izay tsy izy ny olona, izay voalaza fa tonga hitaky ny voalaza fa tambiny nampanantenaina azy ireo ho sandan’ny fandrotsaham-bato ho an-dRajoelina. Misy ny milaza fa 300 000Ar izy io. Nifamahofaho tanteraka moa ny resaka teo anatrehan’ny resaka karatra hahazoana vola, izay voalaza fa amin’ny alalan’iny no ahafahana manao izany. Manamafy hatrany ny ahiahy momba ny kolikolim-pifidianana avo lenta. Tsara rahateo no mampahatsiahy, fa efa nisy ny kazarana tatitra samihafa nataon’ny Firaisamonim-pirenena toy ny Transparency International izay naneho ny ahiahy samihafa. Tahaka izany ihany koa ny KMF/CNOE izay nitatitra ireo tranga sy ahiahy maromaro toy ny fanangonana kara-pifidianana sy fanomezana rambon-taratasy kely voalaza fa hahafahana maka ny tombotsoa toy ny fisitrahana tosika fameno na vatsy tsinjo,… Mitombo hatrany ny ahiahy maneho fa milafika eo ambony tsy fahamarinana sy kolikoly ny fifidianana, milafika eo ambony fanararaotana ny fahantran’ny vahoaka Malagasy hatao fitaovana hiakarana eo amin’ny fahefana,… Raha raisina amin’io 300 000Ar io zaraina amin’ny fotoam-piasan'ny Filoha 5 taona na 1825 andro dia 164 ariary isan’andro izany ny sandan’ny safidy. Kajy tsotsotra io mba hisaintsainantsika hoe zava-doza ny fividianana safidy, tsy manatsara ny fiainana, tsy mampandroso,... Mety ho kajy ambony aza io 300 000Ar io, fa azo heverina ny hoe : 20 000Ar na 30 000Ar no vidian-dafo anatin’ny dimy taona. Tahaka izany ihany koa ny fizarana zavatra samihafa, izay mety ho takalon’ny harem-pirenena aoriana. Asa izay ho fanazavana ofisialin’ny lohandohan’ny mpisorona eo anivon’ny Volomboasary fa ny sary hita sy niseho ary nohamafisin’ny olona aloha dia mitaky ny fampanantenana azy izy ireny ?
Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny