airtel

Politique

10-févr-2023

Politique

Kolikolim-pifidianana Mila resena raha te ho tafavoaka

Sample post image

Isan’ny fositra mamotika ny firenentsika ny kolikoly ara-pifidianana. Tsy ny vina sy ny programan’asa intsony no tena mikaonty tato ho ato,

10-févr-2023

fa miankina amin’ny vola sy ny fanambazana amin’ny endriny samihafa. Lasa voafidin’ny t-shirt, vola, artista ny olom-pirenena hany ka na ilay hevitry ny hoe: “fampielezan-kevitra” aza lasa miova ho “fampielezam-bola”, lasa tsy fifidianana intsony fa fividianana. Lasa izay be vola sy mahatolotolotra no manana herijika ho lany, avy eo tsy misy tamberin’andraikitra firy intsony fa toa efa vita tamin’ny domy tapany handoa erany ny vahoaka satria mety voavidy ny safidiny, hany ka fihemorana no hita ao anatin’ny fe-potoana iasana mandritra ny 5 taona eo satria tratry ny domina tapany handoa erany ny Malagasy. Zary hararaotina amin’ny fahantrany ihany koa, ka mora ny mandrebireby azy sy mividy ny safidiny amin’ny zavatra tsy manao mahavita taona. Eo anatrehan’izany, tokony havadika ho asa misy vokany ny ady amin’ny kolikoly fa tsy hatao fitaovana fotsiny hoenti-mandresy lahatra amin’ny fifidianana. Isan’ny manipika mafy an’io ny Transparency International Initiative Madagascar eo anatrehan’ny kolikolim-pifidianana miseho amin’ny endriny samihafa. Amin’ity taona 2023 ity, hiatrika fifidianana isika, ka isan’ny manipika mafy ny hiadiana amin’ny kolikolim-pifidianana io fikambanana io. Anisan’ny làlana heveriny fa hahafahana mizotra amin’izany ny fandaniana lalàna mikasika ny famerana ny vola laniana amin’ny propagandy sy ny fangaraharan’ny loharanom-bolan’ny antoko politika politika. Tahaka izany ihany koa ny fandaniana lalàna mikasika ny zon’ny olom-pirenena rehetra hahazo vaovao sy ny fiarovana ireo mpiaro ny zon’olombelona sy ny mpisintona lakolosy, izay tokony ho laharam-pahamehana raha ny hevitr’io fikambanana io hatrany.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap