airtel

Politique

07-août-2023

Politique

Kolikoly ara-pifidianana Efa manomboka ny tetika maloto…

Sample post image

Mitombo ny ahiahy politika eo anatrehan’ny fikotrehana mivantana na ankolaka tetikady hampandresena kandidam-panjakana amin’ny fifidianana manaraka eo.

07-août-2023

Misy ny miketrika izany miainga eny amin’ny fokontany, raha ny fanamarihan’ny olom-pirenena, tahaka ny fampitam-baovao avy any amin’iny Distrikan’Anosibe An’Ala iny. Ny herinandro teo, nandeha ny fampivoriana ben’ny tanàna sy sefom-pokontana nanotrona olom-boatendry iray eo anivon’ny Faritra. Misy « assistant » na mpiara-miasa akaiky amina olom-boafidy, nampanantena tosika fameno 100 000Ar ho an’olona 350 isa isaky ny birao mandatsaham-bato mandritra ny 4 taona, hoy ny vaovao azo. Asa izay mety ho fanazavana na fandisoana, fa raha raisina amin’izany, dia mihamafy ny endrika fividianana mivantana na ankolaka ny safidim-bahoaka mba hahazoana ny vatony amin’ny fifidianana. Vao miresaka an’ireny fanampiana samihafa ireny, dia matetika volam-panjakana no ampiasaina amin’izany, ary olom-boafidy amin’ny lokon’ny fitondrana no isan’ny miandraikitra an’ireny, raha ny hita eto an-drenivohitra. Toa manamafy ny mety ho fomba fiady izay zary itezan’ny mpanao politika ny olona amin’ny resaka fizarazarana zavatra: vola, sakafo, t-shirt mba hakana ny fony mpifidy. Lasa mivadika fividianana fa tsy fifidianana intsony. Rehefa tonga propagandy dia efa lasa tsy fampielezan-kevitra fa fampielezam-bola no misy. Tena ara-bakiteny ny fividianana fahefana, ary efa misy mpanao politika manamafy ny ahiahy hoe: 5000Ar monja no heverin’ny sasany hividianana ny mpifidy dia lany izy, saingy mety hisy rotaka! Raha vato 2000 000 izany no tadiaviny hanampy ireo heverina fa mpanohana azy tsy azo raiki-tapisaka na « fanatique », dia 10 miliara Ar no atontonty amin’izany. Na mbola hakariny 20000Ar isan’olona aza mety mbola vitany sy tsy mampaninona azy raha 40 miliara Ar, ankoatra ny zavatra hafa handaniany vola be tahaka ny t-shirt,… Sanatria ve hanaovana tahaka izany ihany koa ireo rafitra miantsoroka fifidianana?
FAHAPOTEHAN’NY FIRENENA NO VOKANY!
Atao mahagaga ve avy eo raha ambony ambany ny firenena rehefa mahazo fahefana ny mpanao politika tena nividy safidim-bahoaka ? Hampandroso firenena ve no himasoany avy eo sa ny hamerina ny vola laniny sy haka tombony ? Manginy fotsiny ny fangejana sy tsindry mety ho avy amin’ireo nakana vola izay mety ho eto an-toerana, mety ho avy any ivelany. Raha miverina amin’ny 2018, nalaza ny fisiana kandida nandany hatrany amin’ny 182 000 000 dolara fa moa nisy zava-banona rehefa lany izy? Hatao sorona amin’izany sy hofatorana amin’ny mety ho vola maloto samihafa ve ny firenena? Manginy fotsiny ny endrika fampiasana fahefaham-panjakana, fitaovanam-panjakana, ary volam-panjakana mivantana na ankolaka ho amin’ny tombotsoa politika. Maro ny vahoaka efa tonga saina, ary tofoky ny tsy fahombiazana, ka heverina fa tsy handaitra intsony ny fomba fiady maloto fahita sy fandre hatrizay amin’ity fandraviravizana ny mpifidy amin’ny vola kely sy zavatra tsy mahavita taona vidin-dafo ao anatin’ny 5 taona ity. Entanina hatrany ny rehetra mba tena handray andraikitra amin’izay amin’ny fiainam-pirenana ka tsy hanaiky hovidiana sy hambakaina amin’ny fita-bitro sy fampanantenana poakaty lava, fa tena hahay hijery ny vina sy olona tena afaka hampandroso ny firenena.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap