airtel

Politique

12-oct-2023

Kolonely Charles Andrianasoavina

“Hiverina amin’ny vahoaka ny tafika, avereno amin’ny lalàmpanorenana ny Firenena”

Sample post image

Nisy ny fanambarana lehibe nataon’ny Kolonely Charles Andrianasoavina momba ny raharaham-pirenena.

12-oct-2023

Nisaotra ny Filohan’ny Antenimierandoholona tamin’ny fahasahiany namboraka ny zavatrehetra nanjo azy nandritra ny fialan’Atoa Andry Rajoelina filoha teo aloha. “Misaotra azy aho satria efa betsaka ny antso izay natao, nataon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, nataon’ny FFKM, nataon’ny firaisamonim-pirenena nataon’ny vahoaka Malagasy na eto an-toerana na any ivelany amin’ny fikatsahana ny hiverenanana amin’ny amina araka ny lalàmpanorenana ka nahasahy izy, hoy ity manamboninahitra ity. Nanamafy ny antso nataon’ny amin’ny tafika ny 01 oktobra dia ny tsy hikatsahana afatsy ny tombotsoan’ny firenena dia ny ho an’ny tanindrazana ihany koa ny kolonely Charles Andrianasoavina. “Ho an’ny tanindrazana ihany ny antsika, koa ampianareo ny fametrahana an’Atoa Herimanana Razafimahefa hiverina ao anatin’ny lamina araka ny lalàmpanorenana”, hoy izy. Izahay ao amin’ny tafika , hoy hatrany izy, dia zanaka amin’ny fiainana andavanandro, avy amin’ny vahoaka ka tsy maintsy hiverina amin’ny vahoaka, kanefa kosa rehefa tonga ny krizy tahaka izao dia mivadika ho Raiamandreny satria izahay no hery farany afaka handamina ny tany satria izahay ihany koa no antsoina hoe: mpiaro ny fiandrianam-pirenena, hoy hatrany ny Kolonely Charles Andrianasoavina. Nisaotra ihany koa ny tafika izay nahatsindry fo vokatry ny fisamborana ny miaramila nandritra ny hetsika nataon’ny kandida 11 tamin’ny 11 oktobra ny tenany. Raha tsy nahatsindry fo mantsy, hoy izy, dia mety nisy fifandonana mivantana tamin’ny miaramila sy ny zandarimaria. Nilaza io kolonely io, fa ny zavatra niseho dia nalain’ny miaramila tany amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava iny miaramila namany iny, ary efa tafaverina soa aman-tsara any amin’ny tobiny dia ny CAPSAT. Na izany aza, manameloka ny fisamborana izay nataon’ny kolonelin’ny zandarimaria satria hetsika tsy tokony hiseho amin’ny maha samy miaramila, ary fanalam-baraka tsotra izao iny ka iangaviako ianao mba hiala tsiny any amin’ny toby misy azy satria hafanafana ity zavatra ity, ary mety hisy fifandonana mivantana noho iny zavatra iny, koa miangavy anao hiala tsiny any ary hoento ihany koa ilay zandary izay nidaroka iny miaramilanay iny fa tsy azo ekena ireny, hoy ny kolonely Charles Andrianasoavina, izay niantso ny Lehiben’ny CAPSAT hampiantso fifonana. Niantso ny Prefen’Antananarivo mba hidina ifotony amin’ny fanomezana baiko ihany koa moa ny tenany, ary niantso ny vahoaka hikatsaka ny fiverenana amin’ny lamina araka lalàmpanorenana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap