airtel

Politique

20-sept-2023

Koto Lilahimahitsoambo

"Olona manampahaizana sy manampahalalana no tokony hitondra firenena"

Sample post image

Fantantsika, hoy ny malagasy mipetraka any Soisy sady mpamakafaka anaty tambazotran-tserasera, Koto Lilahimahitsoambo,

20-sept-2023

fa olona manam-pahaizana sy nianatra i Tahina Razafinjoelina. Olona nitantana orinasa, mpandraharaha izy, hoy izy. Hitanareo amin’ny fotokevitra hijoroan’i Koto fa olona nianatra sy manana fahaizana no tokony hitondra. Ahoana moa no ahafahan’ny olona tsy manana BEPC na CEPE, tsy manana fahalalana fototra akory amin’ny toekarena, ny lalàna, siantsa mahakasika ny politika no tsy haiko hoe ahoana no hitenenana azy mba tsy hanaovana fitenim-boto? Ny malagasy dia miheritreritra fa olona tsy manana BEPC na CEPE no mahay mitantana. Ny dikan’ny atao hoe “management” na fitantanana aza tsy fantany. Anohanako an’andriamatoa Tahina Razafinjoelina aloha izay. Hisy hiteny indray hoe i Koto avy atsy dia mankatsy fa ny fotokevitr’i Koto dia iray ihany. Olona manam-pahaizana, tsy misy afa-tsy izay. Na aiza na aiza eran-tany ianao dia tsy misy fanazavana hafa. Ao anatin’ilay manam-pahaizana resahako andriamatoa Tahina Razafinjoelina. Teboka faharoa goavana sady miabo amin’andriamatoa Tahina Razafinjoelina dia ny fahamarinana. Araka ny vaovao azoko dia olo-marina, tsy mba hitanao nanao kolikoly na nivadibadika izy, hoy hatrany i Koto.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap