airtel

Politique

15-déc-2023

Kristianina mandinika raharaham-pirenena

“Latsaka an-davaka i Madagasikara”

Sample post image

Anaty vanim-potoana maha sahirana ny vahoaka tsirairay avy isika izao,

15-déc-2023

hoy ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena, Ralaiarimanana. Latsaka an-davaka i Madagasikara, hoy izy. Mila miova ny toe-tsaina. Mila fifankatiavana sy firaisankina. Andro fahavaratra natao hamokarana izao satria nataon’Andriamanitra hanondrahana ny tany. Afaka mamokatra ny tsirairay avy rehefa avy ny orana, indrindra, ny any ambanivohitra. Anaty fanetsana izao ny any ambanivohitra. Ny vary sasany aza efa niakatra. Tokony jeren’ny fanjakana maika dia maika izany mba tsy hisian’ny fanafarana vary be eto Madagasikara satria ireo tantsaha ireo dia mila zezika entina hamokarana ny vary eto Madagasikara. Hita ho mifantoka any amin’ny mahafinaritra anefa aloha izao fa tsy misy ho an’ny vahoaka no ataon’ny fanjakana. Mila mijery izay mahasoa aloha vao ny mahafinaritra. Eo koa ny lafiny filaminana. Mirongatra ny asan-dahalo any ambanivohitra. Tsy afa-mamokatra mihitsy ny vahoaka tsy milamina. Ilaina, noho izany, ny fampandriana ny tany. Miady amin’ny fanabadoana isika. Betsaka nefa ny ankizy tsy mianatra satria tsy manam-bola ny ray aman-dreny. Izany no tokony ho jeren’ny fanjakana hoe ahoana no hanampiana ireo EPP sy sekolim-panjakana? Omeo ny hasiny ny mpampianatra sy mpikaroka na ara-pitaovana io na filàna hafa fa hoavin’ny firenena ireo tanora ampitany fahalalana! Betsaka ny lafin-javatra tokony ho jerena. Isany koa io resaka herinaratra sy rano izay mampikatso fihariana maro io ary mamotika mihitsy aza. Mivoatra foana ny tekinolojia. Mila maharaka izany ny eny amin’ny oniversite ary miankina amin’izany koa ny fivoaran’ny fikarohana eny. Misy marina ve sa tsy misy ny vola ao anaty kitapom-bolam-panjakana hamatsiana ny fanatsarana ny tontolon’ny fampianarana sy fikarohana eto Madagasikara, raha nolaniana indray, ohatra, farany teo ny lalàna mikasika ny fanatsarana ny karaman’ireo mpampianatra sa toy ny an’ireo mpampianatra mpikaroka tamin’ny 2009 izay mbola tsy mety voavaha hatramin’izao ihany? Angatahana amin’Andriamanitra moa mba tena hisy ny vola! Mahay ny zaza malagasy saingy marobe no mitsoam-ponenana. Maninona moa ireo tanora no mangataka hiasa any ivelany? Mijanona eto ireo tanora manam-pahaizantsika ireo raha tena misy mba fijerena ny tombontsoany eto, hoy hatrany ny Kristianina mandinika raharaham-pirenena.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Voaporofo fa tsy afaka hahavaha olana eto Madagasikara ny fitondràna amin’izao fotoana izao,

Card image cap
28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap