airtel

Politique

01-mars-2023

Politique

Krizin’andrim-panjakana Mamofompofona fanonganana ao Tsimbazaza…

Sample post image

Miverina mifoha sy toa mihamafy ny resaka krizin’andrim-panjakana eo amin’ny fahefana mpanatanteraka sy ny mpanao lalàna.

01-mars-2023

Toa nampahatsiahy sy nanitatra an’izany ilay kabarin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena sady Filohan’ny FIZAFAFI (Fikambanan’ny Zanaky ny Faritanin’I Fianarantsoa) ny 25 febroary lasa teo, izay karazan’ny mametraka fepetra fa ho tambin’ny fanohanana ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina dia mila omena toeran’ny Praminisitra, toerana minisitra 10, ny toeran’ny Filohan’ny antenimieram-pirenena ao Tsimbazaaza. Mifoha ny ahiahy hoe: misy nidiran’ny resa-pihaviana na “cause cotière” ilay fitsipaham-pitokisana ny governemanta ny 07 febroary 2022 satria malaza ho tao ambadik’iny ny Filohan’ny Antenimierampirenena sy ny Minisitra iray nitana toerana stratejika be tao anaty governemanta izay efa nesorina. Sesilany ny fanambaran’ny olon’ny fitondrana na fampitenena olona hanenjika an-dRtoa Christine Razanamahasoa tahaka ny Mpanolon-tsaina manokan’ny Filoha Atoa Soja Jean André, ny fampitenenana ny fikambanan’nyy ben’ny tanàna nizarana moto tany Nosy Varika fa manohana tsy misy fepetra ny Filoha izy sy ny vahoaka ao an-damosiny,… Misy ireo olon’ny fitondrana manome rariny an-dRtoa Christine Razamahasoa, tahaka ny depiote iray avy eto Antananarivo izay nilaza mazava fa tsy tokony hohenjehina amin’ny lahateniny ny Filohan’ny Antenimierampirenena. Raha nanao an’iny izy amin’ny zanak’I Fianarantsoa, dia lojika, ary raha izaho amin’ny Merina aho, dia afaka mangataka ihany koa hoe ny zanak’Antananarivo, eto ihany koa mba be manam-pahaizana no mangataka hoe: omeo minisitera 20 izahay. Tsy misy fahotana ny mangataka an’izany, ary fihatsaram-belatsihy ny an’ny mpanao politika milaza fa tsy mitady toerana, hoy io olom-boafidy IRD io.
MISY MIKONONKONONA FANDRAVANA BIRAO MAHARITRA…
Heverina fa tsy mandeha irery Rtoa Christine Razanamahasoa fa manana ny heveriny fa vahoaka ao an-damosiny, fa mety eo ihany koa ireo olom-boafidy tahaka ny depiote avy ao amin’ny vovonana misy azy mety miombon-kevitra aminy. Tsy tongatonga ho azy rahateo ireny sonia 105 ireny na nilaza ihany koa aza ny Praiminisitra tato aoriana, fa 108 no tsy nanaiky fitsipaham-pitokisana ka asa hoe: tsy 151 intsony fa efa 213 ve ny depiote? Misy amin’ireo olom-boafidy na olom-boatendry izay mahatsapa ho namono tena tamin’ny 2009 ihany koa no sosotra amin’ny endriky ny governemanta sy sosotra amin’ny mpikambana sasany. Endriky ny tsy fahamarinan-toerana ara-politika sy krizin’andrim-panjakana ireny, ary efa mety miovaova araka ny tsio-drivotra ny maro an’isa ao Tsimbazaza. Ny vola no mety mikaonty amin’io! Misy fivorivoriana ataon’ny depiote sasany hoenti-manova ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena any ambadika any, raha ny resaka mivoaka amin’izao. Tsara anefa ny manamarika, fa lany 100% ny filohan’ny Antenimierampirenena ankehitriny. Tena ho tonga amin’izany ve amin’izao fotoana fohy tsy hahataperan’ny fe-potoana iasana izao? 6 volana tsy hialan’ny Filoha raha ho kandida no miseho ny toe-javatra tahaka izao, toa mihamafy ny adin’ny andrim-panjakana, ary raha ny feo mandeha any ambadimbadika any dia misy fikasana hanongana na hanova birao maharitra indray eo anivon’ny Antenimierampirenena. Marihina fa nofoanana ny fihaonan’ny governemanta sy ny antenimiera tamin’ny fivoriana ara-potoana tamin’ny desambra, ary any amin’ny volana may ny fivoriana ara-potoana manaraka, saingy tsy manakana izay mety ho hitranga politika mifandraika amin’izany ato ho ato. Manana fahefana hanao fanonganana ny Filoha toy izay niseho tamin’ny 2018 ihany koa ny depiote ary manana fahefana handrava ny antenimierampirenena ny Filoha. Ho voalamina sa inona no hitranga?
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap