airtel

Politique

24-oct-2023

Krizy efa nipoaka

Tsy azo hihodivirana ny fifanarahana politika

Sample post image

Na ny ady lehibe faharoa aza, hoy ny famerimberin’ireo mpandinika tantara izay,

24-oct-2023

dia niafara teo ambony latabatra. Averina hatrany, fa raha ny fandinihan’ireo manam-pahaizana momba ny antsoina hoe otrikady na “conflict” dia anatina krizy efa nipoaka ankehitriny ny firenena. Miisa 4 ny ambaratongan’ny fivoaran’ny atao hoe Otrikady, hoy ny fanazavana. Ny maivana indrindra dia ilay antsoina hoe disadisa na “turbulence”, izany hoe raha aty amin’ny sehatry ny politika io dia ilay fijoroana na fitononana fotsiny hoe “izahay mpanohitra” na “izahay mpanohana ny fitondrana”. Nihazakazaka ny toe-draharaha nanomboka ny nandraisan’ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Rajoelina, ny fitondrana ny taona 2019 no ho nankaty. Vao nanao fianianana fotsiny ny lehilahy dia efa nihotsaka nahafaty olona sy nandatsa-dra maro ny vatobe teny Ambohinampahamarinana. Nitohy avy eo ny fiakaran’ny ranobe tany amin’ny faritra. Nandeha ny tranga mamoha henatra samihafa toy ny raharaha “Panier garnis” sy “bonbon sucette” na ny resaka minisitra miaraka amin’ny artista. Tonga koa moa avy eo ny COVID 19 sy ny tsy fahazavan’ny fitantanana ilay famatsiam-bola nitentina 900 tapitrisa Euro mahery niaraka tamin’ny raharaha “Ecran plat” ka hatramin’ny volamena 73,5kg sy ny volamena nivadika tanatina birao niasan’ny praiminisitra Ntsay Christian, ny volamena 48kg sy ny tariny rehetra. Efa nivadika ho aditeny na “tension” teo ilay disadisa na “turbulence” voalaza tany aloha. Nipoaka ihany koa ilay antsoina hoe “tension politique” na aditeny politika izay ary nampizarazara ny samy tompom-pahefana mihitsy satria dia nivadika ho “crise” na krizy izany. Antsoina amin’ny teny malagasy koa moa io hoe adilahy na adilahy politika, izany hoe krizy politika. Nandeha ny krizin’andrim-panjakana toy ny fitsipaham-pitokisana ny praiminisitra na “motion de censure” saingy nosalovanin’ny filoham-pirenena tamin’izany fotoana izany, hoy ny fanazavan’ireo depiote. Efa nisy koa ny niheritreritra hanao fitsipaham-pitokisana ny filoham-pirenena na “motion d'empêchement”. Nikatso hatrany ny raharaham-pirenena ary tsy nety vanona ny ankamaroan’ireo tetikasa goavana nolazaina fa an’ny filoham-pirenena toy ny “Tanamasoandro”, “Flyover”, “Paris” ary na ilay “Miami” tsaroana tsara tany amin’ny propagandy 2018 aza fa Toamasina hanahaka an’i Miami ao Etazonia dia niova dika tampoka taty aoriana taty. Tonga ny vanim-potoanan’ny fifidianana. Nandeha ny fampielezan-kevitra mialohan’ny fotoana dia nahita fitanilana sy hosoka nananontanona ireo kandida ho filoham-pirenena miisa 11, hany ka nanapa-kevitra nidina an-dalambe. Nipoaka indray ilay krizy ary nanjary ady atsanga na “conflict déclaré”, izany hoe fipoahana krizy, satria efa niafara tamin’ny fampiasana herisetra. Ny mpitandro filaminana nandratra sivily. Ny sivily samy sivily koa nifandratra. Andrasana hiitatra toy ny tamin’ny taona 1972, 1991, 2002, 2009 ve ilay krizy efa nipoaka vao hitaty ny marimaritra iraisana izay efa antsoantson’ny herivelona maro ny avy eo anivon’ny fitondram-panjakana sy ny ivelan’ny fitondram-panjakana, sanatria, sa mba hanaiky hihavana sy hitady marimaritra iraisana ihany? Na ho ela na ho aingana anefa dia heverina fa tsy azo hihodivirana ny fifanarahana politika.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap