Mbola ahiana ho henjana ihany koa anefa ny 2023 raha ho antsika eto Madagasikara manokana. Ahiana hihamafy ny krizy maneran-tany noho ny tsy fahamarinan-toerana samihafa : ady any Ukraine, ankivy mahazo an’I Eoropa, fihenan’ny fanondranana maneran-tany,… Isan’ny fialana balan’izao fitondrana ankehitriny izao ny krizy eran-tany. Na nanao vava be aza tamin’ny propagandy 2018 fa tsy hampandroso ny fiankinan-doha amin’ny mpamatsy vola mahazatra na amin’ny 2060 aza ary rehefa Rajoelina eo no dia isika aza no hampindrana an’i Kaomoro, dia miharihary ankehitriny, fa vavan’ny maty an-drano ireny, fomba natao hakana vato namitahana vahoaka satria tsy misy hafitsoka raha tsy misy famatsiam-bola, ary toa mbola iankinan-doha ny 70 hatramin’ny 80% amin’ny vola hanodinana ny Fanjakana. Ankehitriny, betsaka ny tetikasa tanisain’ny Filoha ankehitriny fa mbola hataony, saingy tsy vita na tsy ho vita raha tsy misy mpamatsy vola : Autoroute, teleferika, Fly over, Tanamasoandro, pipeline, « gymnase » manara-penitra,… Ny krizy maneran-tany etsy andaniny mihamafy ka tena hanam-potoana hifantohana sy hijerena ny firenena tahaka antsika ve ? Ny Fitondrana etsy andaniny iarahan’izao tontolo izao mahita ny tsy fahombiazany, ny tsy fahafehezany ny diplaomasia, ny kolikoly mandrakotra ny rafi-panjakana, ny mpitondra ambony be afera,… Rehefa zohiana amin’ireny, tsy hisy fahagagana firy antenaina amin’izao fitondrana izao.
HIHENA NY FAMATSIANA ARA-TSAKAFO
Na nolazaina aza fa isika no hanavotra izao tontolo izao, dia miharihary fa tsy izao tontolo izao no mila antsika fa isika no mila azy, tsy arakaraka ny vava be,… Tsy hiasa saina firy amin’i Madagasikara izany ireo, fa ny zavatra lehibe momba ny maha olona izay efa mandeha foana no mety tena hanipazany maso tahaka ny kere any Atsimo. Ny tena zava-doza ho antsika raha tsy hiomanana, dia ny resaka fanafarana sakafo. Laharana faha-17 isika tamin’ny fanafarana entana sy vokatra avy tany Ukraine, toy ny varim-bazaha, lafarinina,… saingy efa tapitra iny noho ny ady. Manomboka mifehy sy mampihena ny fanondranany ireo firenena matanjaka amin’ny resaka famokarana toy ny vary, menaka,… Isan’izany ireo firenena mpamokatra toa an’i Inde, Chine, Pakistan,… ianteheran’izao tontolo izao amin’ny resaka vary, varim-bazaha,… Midika izany fa hihena na tsy hisy intsony ny fanondranana, hiakatra ny vidiny rehefa tsy dia misy, hidangana ny vidim-piainana, raha tsy manana politika mazava. Ny firenena matanjaka mety manam-bola hividianana fa isika ho aiza ? Mifandraika amin’izany ve ny zavatra ampanantenaina hatao eto? Ny mpamatsy vola efa niantso fa mila mamboly sy miompy, ary raha mandray firenen-kafa toa an’i Rwanda izay isan’ny fitaratra aty Afrika dia nanapa-kevitra hanatontona volabe amin’ny famokarana, isan’ny fanambiny ny hahavita tena ara-tsakafo hatramin’ny 2025. Asa aiza ho aiza amin’izany ny Fanjakan’i Mamim-bahoaka? Tsy dia misy fahagagana azo antenaina, mila fiovana sy fanovana raha tsy te hifafa ny kiho hatrany.
Toky R
Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.
Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,
Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia
Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,
Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.
Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,