airtel

Politique

25-mars-2024

Krizy politika sy sosialy miha mafy

Hahita raharaha ny fitondrana raha manao be mokon-doha…

Sample post image

Raha mahay tantara sy mandinika tsara i Andry Rajoelina sy ny ekipany dia tokony mahatakatra

25-mars-2024

fa anaty krizy ny firenena ary miha marefo ny fitondrana. Nahavita fotoam-piasana iray miampy 3 volana izy ireo amin'izao fotoana, raha miainga amin'ny fampanantenana propagandy 2018 aloha dia tena maivana ny zava-bita, na eo amin'ny lafiny ara-toekarena, na sosialy, na ara-diplaomatika. Niha nahantra ny Malagasy, nitotongana hatrany amin'ny 40% ny sandan'ny ariary, nitombo ny kolikoly, niha ratsy ny naotin'i Madagasikara eo amin'ny fampandrosoana ny maha olona sy ny fitantanana mahomby. Manadihady lalina be ireo mpamatsy vola mahazatra vao sahy manome na mampindrana vola ny governemanta Malagasy, amin'io mbola vola kely. Ny fanaraha-maso avy eo mbola tena henjana. Tsy misy tokony atao mahagaga izany fa tena porofo mibaribary hoe tsy atokisana ny mpitondra misy eto amin'izao fotoana ary tena miditra amina vanim-potoana sarotra ny firenena. Raha ara-tantara dia zavatra efa nitranga io tamin'ny fitondrana Ratsiraka tapany faharoa (1997 -2001) sy ny fitondrana Ravalomanana tapany faharoa (2007-2009). Ny dikan'izany dia mila manitsy fomba fiasa faran'izay haingana ny fitondrana Rajoelina raha tsy te ho sahirana ka hiatrika ny zava-nisy tahaka ny tamin'ny 2002 sy 2009.
TSY METY NY DISO MAHATOKY TENA LOATRA
Tsaroana tsara ny tantara fa tamin'izany vanim-potoana izany dia na efa noresahan'ireo mpiara-miasa akaiky aminy aza ny amiraly Ratsiraka ny amin'ny hetsiky ny KMMR dia tsy taitra fa hoe tsy mankaiza izany raha izay ingahy Ravalomanana. Ity farany ihany koa tamin'ny janoary 2009 dia namoaka ilay fehezanteny malaza hoe :"tsapao aloha ny herinareo vao mitsapatsapa ny aty". Dia efa iaraha-nahalala ny tohin'ny tantara. Raha oharina amin'ny zava-bita sy ny fomba fiasa anefa dia resy lavitra izao fitondrana Rajoelina izao mihoatra amin'ny ny an'ny AREMA sy ny TIM, koa noho izany tsy tokony hidingin-drambo mihitsy na mieritreritra ny tsy ho azon'aloka.Ary io efa iaraha-mahita io fa na ny samy mpanohana an'i Andry Rajoelina, na ny samy TGV tany am-piandohana aza dia mifamely amin'izao fotoana, ka ao ireo mifampikasi-tanana sy mifamaly mivantana, imasom-bahoaka mihitsy. Ao ireo any anaty filazam-baovao no mifampitifitra. Tranga iray hita fa tsy azo hamaivanina ny fihetsiky ny filohan'ny antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa faramparany teo, ny diany tany Frantsa sy tany amina firenen-kafa. Ny fanambarana nataony, ny hetsika fikaroham-bahaolana iarahany amin'ny FFKM, ny fomba fanehoan-keviny. Olona mahalala zavatra maro i Christine Razanamahasoa raha ny raharaha 2009 no resahana, tahaka izany ihany koa ny fitondrana tetezamitan-dRajoelina...sa ho lazaina fa tsy salama saina indray izy rehefa hanao ampamoaka manaraka eo ? Tsy misy maniry korontana sy savorovoro mihitsy saingy efa fantatra ihany ny fihetsiky ny vahoaka rehefa feno izay ny kapoakany.Tsy mbola nisy fitondrana naharesy vahoaka izany satria an'ny vahoaka ny fahefana. Ny atao hoe mpitondra mahay dia mandamina, mandritra, mampiray hina, mahay mampisongadina ny fahaizana amam-pahalalana rehetra mba hanafainganana ny fampandrosoana.Ary my tena zava-dehibe dia mahay mihaino sy mandray lesona. Ny rehetra no vavolombelona : manana ireo toetra ireo ve ny mpitantana ny firenena amin'izao fotoana ?
RTT
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap