airtel

Politique

11-oct-2024

Lahatra Andriamahatsangy

«Tsy maintsy avy amin’ny mpanohitra no ilain’Antananarivo!»

Sample post image

Raha resaka olona no ho resahana mialohan’ny resaka praograma momba an’Antananarivo

11-oct-2024

amin’izao fiatrehana ny fifidianana ho ben’ny tanàna izao, hoy ny mpanao politika, Lahatra Andriamahatsangy, dia tsy maintsy avy amin’ny mpanohitra aloha izao no olona ilain’Antananarivo! Tsy maintsy avy amin’izay mpanohitra izay, hoy izy, no safidin’Antananarivo, raha ben’ny tanàna no resahintsika. Raha resaka praograma indray dia samy manana ny azy fa ny efa hita sy efa nahavita ihany koa nefa aloha no azo heverina fa hahavita hanatontosa izay praograman’asa hanarina an’Antananarivo izay. Voaresaka matetika ny hoe asana mpanatanteraka ny asana ben’ny tanàna. Tsy ilaina izany aloha ny olona tsy mbola nitantana. Na refa nitantana ny resaka ara-bola io izany na efa nitantana olona, izany hoe olona manana traikefa amin’ny resaka fitantanana no ilaina. Ny tetikasa miainga eto izay mifarana any amin’ny taona 2028 any dia ilàna fahaizana fiaraha-miasa amin’izao fotoana izao. Izay no mila mitantana eo, mba tsy ilazàna hoe olona efa nitantana orinasa na nitantana olona. Raha mbola tsy nitantana olona ianao dia sarotsarotra ho anao ny mitantana an’Antananarivo. Ny fifidianana farany teo no nahitàna fa misafidy ny mpanohitra i Antananarivo. Fantatra hatramin’izay fa maditra vahoaka i Antananarivo. Manohitra izay mitondra eo foana izy rehefa fifidianana, mba tsy hiresahako ny resaka hoe fanonganana sy fihetsiketsehana isan-karazany. 7 mianadahy ny kandida eto fa ny ilaina farany koa dia hoe mahay miara-miasa amin’ny rehetra. Izaho tsy miteny hoe mahay miara-miasa amin’ny fanjakàna fa ilay rehetra resahana dia hoe na ny eto an-toerana na ny avy any ivelany. Eo ny karàna, eo ny mpandraharaha maro isan-karazany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap