airtel

Politique

22-mars-2022

Politique

Lainga, kolikoly, fahantrana,… Izao no voka-dratsin’ny « doublons »

Sample post image

Telo taona sy tapany aty aorian’ny fifidianana nampalaza ny “doublons” na anarana miverin-droa isika izao, saingy tsy nipetraka mandrak’androany ny fahamarinan-toeran’ny Fanjakana Rajoelina.

22-mars-2022

 Raha hiverenenana kely ny antontan’isa, dia vato 2 586 938 manome salan’isa 55,66% no voalaza fa azony. 2 060 847 na 44,34% kosa ny vato nambara fa azon’I Marc Ravalomanana. 520 000 eo ny elanelam-bato, saingy milafika amina adihevitra tsy hifankahitana ny ambara fa fandresen-dRajoelina, indrindra fa vaky am-batolampy ny raharaha “doublons” izay ny Filoha lefitry ny CENI teo aloha Atoa Thierry Rakotonarivo no nivaky izany volana febroary 2020. Vao mainka nanaratsy endrika sy nanaratsy toerana ny Fitondrana Rajoelina iny. Ny elanelan’isa 500 000 mahery kely kanefa ny « doublons » an-tapitrisany, ny tsy nifidy 5,5 tapitrisa eo. Ny andro nialohan’ny voka-pifidianana ofisialy ny 8 janoary 2019 aza moa, dia voalaza fa efa niarahaba an’i Marc Ravalomanana ireo solontenan’ny firenena vahiny na “corps diplomatiques” nandritra ny lanonana ara-panjakana lehibe iray nanasana mpanao politika, saingy nitsimbadika ny rasa ny ampitson’iny noho ny tsindry ambony dia ambony sy fandrangarangana rà mandriaka, ankoatra ny antony hafa izay mbola horesahina eto amin’ny fotoana mahamety azy. Nandefitra i Marc Ravalomanana mba tsy hisian’ny rà mandriaka. Ankehitriny, io iaraha-mahita io ny voka-dratsin’ny “doublons”: miharihary ny tsy fahaiza-mitantana, potika tanteraka ny firenena, mitotonana ambony ambany ny toekarena satria tsy mbola niiba -7% izany tao anatin’ny 60 taona, ny vidim-piainana midangana be, ny vahoaka miha fadiranovana, ny kolikoly avo lenta manjaka.

MIORINA TEO AMBONY ALAHELO SY FITAKA
Ny nandrombaka fahefana no nahamaika fa izay hitondra sy hitantana ny firenena tena tsy niomanana. Lojika ny tsy fahamarinan-toerana satria niorina tao anatin’ny fitaka sy halatra… hany ka toa mitsipozipozy tsy velon-kantenaina kanefa tsy maty hafoy, ary toa ho ratsy fiarafara. Ny fomba nandresen-dahatra ny vahoaka hifidy etsy andaniny, saika niorina tamin’ny fampandriana adrisa avokoa. Aiza ilay hoe : efa vonona ny zava-drehetra fa ny fahatongavana eo sisa no ela ? Aiza ilay tsy mila famatsiam-bola mahazatra? Ny vina sy ny velirano mihitsoka,… Maro no tofoka sy leo, eny fa hatramin’ireo nanohana azy aza. Ny mpamatsy vola tsy mahatoky, kanefa ny velirano am-polony miliara tsy misy tokontaniny 16 volana tsy hahataperan’ny fe-potoana iasana. Midika fa fivarotana nofinofy sisa no betsaka.

Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap