airtel

Politique

07-sept-2023

Lalaina Ratsirahonana

“Tokony hirosoana aloha ny fampihavanana”

Sample post image

Mino izahay, hoy ny antoko politika Fihavanantsika, fa andeha soamantsara anaty fahamarinana sy mangarahara tanteraka ny fifidianana ,

07-sept-2023

raha nametraka ny antotan-taratasim-pirotsahan-kofidian’ny kandida ho filoham-pirenen’izy ireo, Lalaina Ratsirahonana, teny amin’ny HCC Ambohidahy omaly. Maha maika, hoy ity kandida ity, dia ny hoe ahoana no hanafoanana ireo zavatra mampahory ny malagasy? Isany ny fahefa-mividy, ny fandriampahalemana, ny fampiroboroboana ny indostria malagasy. Atao daholo izay hanatsarana ny rafitra ahafahan’ny malagasy mivoatra an-kalalahana ary manana fahalalahana koa amin’ny fanehoan-kevitra sy ny atao rehetra. Matoky ny fitsarana izahay. Ny firaisankinan’ny Kristianina no nitadiavana ny anto-bola fa teo koa ireo resy lahatra amin’ny vinan’ny antoko. Niandry ny vokatry ny fihaonambe notarihin’ny FFKM izahay vao nanapa-kevitra ny ho ety rehefa nahita fa handeha ny fifidianana. Miantso ny tenako hoe tokony hirosoana ny fampihavanana sy fampiraisana ny malagasy mialohan’ny hirosoana amin’ny fifidianana mba hisian’ny filaminana eto amin’ny firenena. Ny fitiavan’i Kristy no nanosika anay hirotsaka satria tianay ny vahoaka malagasy hiaina ny fiadanan’i Kristy, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap