Firaisamonim-pirenena KMF-CNOE Fanabeazana olompirenena fa voaporofo fa tsy misy finiavana politika eto Madagasikara. Isan’ny notsipihiny ny fisokafan’ny fivoriana ara-potoan'ny Parlemanta Malagasy, kanefa tsy tafiditra anatin'ny lahadiniky ny fivoriana ny fanitsiana ny lalàna 2018-008, mifehy ny fifidianana sy ny fitsapan-kevi-bahoaka eto Madagasikara. Midika izany fa hiverina sy hiampy ireo lesoka tsikaritra ka nanolorana soso-kevitra nandritra ny fikarakarakana ny fifidianana farany teto Madagasikara, hoy ity fanambarana ity. Porofo izany, hoy izy ireo, fa tsy vonona hisokatra sy hifampihaino ny ampahana mpanao politika Malagasy fa samy mijery ny tombontsoany manokana. Na dia izany, nilaza ho tsy manaiky ny fikitihana izany lalàna izany raha hifototra amin'ny hevitr'olon-tokana na ankolafy na firehana manokana ny fikambanana KMF/CNOE. Naneho fa rehefa tsy sahy ihany na tsy te hihaino ny hevitry ny olompirenena dia aleo kokoa mampihatra izay misy eo. Fototra mahamafy orina ny demokrasia sy ny fampandraisana andraikitry ny olompirenena ary ny fampandrosoana azo antoka ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Niarahaba ny mpisehatra amin'ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety noho ny andron'ny 03 mey ihany koa moa ny fikambanana KMF/CNOE, ary nampahatsiahy fa antoky ny firindran'ny raharaham-pifidianana ny fahalalahanareo koa miara-sarotiny aminareo ny amin'izany ny fikambanana. Somary sesilany ny fanambaran’io Fikambanana io tato ho ato satria vao ny tapaky ny aprily teo no nilaza izy ireeo, fa misy ny fanararaotana ataon’ny mpitondra, ka mifangaro ny lanonam-panjakana sy ny hetsika politika, kanefa ny hafa sakanana. “Natao ho an’ny rehetra fa tsy hijerena tavan’olona ny lalàna, ary mihatra amin’ny olom-pirenena rehetra. Mitaky ny fanajana ny fenitra demokratika sy ny fanajana sy zon’ny Malagasy iray manontolo izay iantoan’ny lalàmpanorenena io firaisamonim-pirenena”, hoy izy ireo tamin’izany. Nahitsy ny KMF/CNOE nilaza fa misy ny fanararaotana ataon’ny fitondrana, ary nilaza tamin’izany fa tokony kabary mampiseho firaisan-kiana sy maha iray ny vahoaka fa tsy kabary fanindrahindrana na fitaomana sahady ny mpifidy amin’ny antokon’ny fitondrana.
(Tahirin-tsary)
Toky R
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.