vondron’ny mpanohitra tao amin’ny Firaisankina taorian’ny fifidianana, hoy ny fanontanian’ny kandida ho depiote tao Faratsiho farany teo, Lalatiana Rakotondrazafy? Toa vao noresena i Lalatiana dia nangina tanteraka, hoy izy, nefa hoe tena natsangana nanerana ny nosy mihitsy ary ohatran’ny dia hoe hanao zavatra be toy inona ery? Izany hoe noho ilay vehivavy kely iray monja fotsiny izany no tena nananganana ilay KMSB manerana an’i Madagasikara ve? Na inona na inona lazain’izy ireo dia tena manahirana azy mafy mihitsy ilay vehivavy kely iray io. «Tout ça pour ça?», hoy ny fitenin’ny vazaha izay. Mino aho fa azontsika amin’izay hoe nety hoy aho ilay paika. Minoa ahy ianareo fa ny valin’ity teniko ity dia fanivaivana mirefarefa amin’ny tany maro be indray avy amin’ny kaonty fako hoe «makorelina», «resy lava», «tsy tiam-bahoaka » sy ny tariny, hoy hatrany ny tenany tao amin’ny tambazotran-tseraserany fa tsy misy mba hevitra azo raisina mihitsy. Izay koa moa no mba hain’izy ireo sy andraisany karama hamelomam-bady aman-janaka ka dia tsara tso-drano! Isika mandeha amin’ny finoana fa tsy amin’ny fahitana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby