airtel

Politique

03-août-2023

Politique

Lanto Rakotomavo “Inona no tsy amoahana ny didy mikasika ny nationalité?”

Sample post image

Matoa aho manitrikitrika ny mikasika ny tokony hijerena ity resaka “nationalité” na zom-pirenen’ny filoham-pirenena ity,

03-août-2023

hoy ny mpanao politika, filohan’ny fikambanana Movma, Lanto Rakotomavo, dia noho ny antony miisa 2. Eo ny lalàna eto amintsika, hoy izy. Ambany lalàna daholo ny vahoaka malagasy na iza na iza. Faharoa, ny fiandrianam-pirenena sy ny maha firenena an’i Madagasikara. Aiza ny vahaolana amin’io olana napetraka io satria ohatran’ny hoe olana tadiavina ilay izy. Ny lalàna mikasika ny zom-pirenena malagasy mihitsy no voazimbazimba ankehitriny. Raha toa io sata mifehy ny zom-pirenena malagasy na “code de nationalité malagasy” io nataontsika ny taona 1960 dia iaraha-mahalala fa nisy fanitsiana foana. Lainga ny filazana fa efa antitra io lalàna io ka tsy tokony ho jerena fa nisy foana ny fandinihina nataon’ny mpahailalàna teto amin’ny firenena dia nisy foana izany taty amin’ny taona maromaro isan-karazany. Vao tsy ela akory dia tamin’ny taona 2017. Tsy nampirimina izany io fa niainantsika teto Madagasikara ary ampiasaintsika an-davan’androm-piainana mihitsy. Rehefa misy olona voakasika manohitohina azy nefa ny resaka lalàna dia mivoaka daholo ny mpahailalàna milaza fa efa lalàna tamin’izao daty na toy izao sy toy izao ilay izy. Ny foto-kevi-dehibe momba izany raha ny fahitako azy nefa dia niezahana nasarotina ny fahazoana ny zom-pirenena malagasy mba hitazomantsika ny fiandrianam-pirenentsika fa tsy ho atao gaboraraka io zom-pirenena malagasy io. Ny mifamadika amin’izay dia hoe ho toy izay koa ny fidiran’ny zom-pirenena hafa eto mba tsy izay olona manana zom-pirenena maro dia handray anjara eto amina raharaha fizakàna, raha tsy hiresaka fotsiny ny fizakàna ara-tany izay tena mahasarotiny ny malagasy. Iaraha-mahita izao fa ihodivirana itadiavana fomba hafa izay lalàna izay. Ny mpitondra no tokony ho lohalaharana amin’ny fiarovana ny tanindrazantsika nefa nahoana izao no lasa misy nosy na tanàna lehibe lasan’ny vahiny? Nahoana no tsy ny malagasy monina eto no izarana tany araka ny tokony ho izy? Io zom-pirenena io ihany no manakana na mamela ny filoham-pirenena ankehitriny hilatsaka ho fidiana nefa mbola tsy voavaly izay ka mangataka ny valin’izay olana ara-pitsarana izay ny vahoaka malagasy. Inona no antony tsy hamoahana an’izay didy mikasika ny “nationalité” izay amin’izao fotoana izao? Manaiky ho tany tsy tan-dalàna i Madagasikara raha tsy mivaly izay, hoy hatrany ny tenany. J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap