Ahoana koa, hoy ny fanontanian’ireo mpanaraka sy mpankafy fanatanjahantena, ity minisitra ity? Rehefa mijery ny lalana nodiavin’ity minisitra vaovao ity rahateo dia tsy ahitana taratra izay resaka fanatanjahantena izay mihitsy na dia kely aza. Mampametra-panontaniana toy izany koa ny marim-pahaizany? Efa sekretera jeneralin’ny fiadidiana ny repoblika nandritry ny tetezamita hatramin’ny volana martsa 2009. Efa filohan’ny filankevim-pitantanana teo anivon’ny orinasam-panjakana Jiro sy rano malagasy na JIRAMA hatramin’ny taona 2010. Zanak’I Resampa André, mpanao politika mpiara-miasa tamin’ny filoham-pirenena teo aloha, Philbert Tsiranana hatramin’ny taona 1952. Raha ny mombamomba na CV voaray teo anivon’ny vondrona politika nisy azy tamin’ny fotoan’androny na MAPAR dia miompana amin’ny fitantanana raharaham-panjakana, politika mikasika ny sosialy, ny fitantanana sy fampandrosoana isan-tsehatra, ny siansa momba ny lalana sy politika ary fitantanana voarindra na “management organisationnel” ny fahaizan’ity mpanao politika ity. Mipetraka noho izany ny fanontaniana. Inona no antony nanendrena azy ho ao amin’ny departemanta misahana ny fanatanjahantena? Sa ho fizarana mofomamy fotsiny tsotra izao? Miandry fanazavana!
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby