airtel

Politique

14-févr-2025

Lasibatra hatramin’ny AVI sy RPR

Vanja milevina ho an-dRajoelina…

Sample post image

Miitatra ny lonilony ara-pifidianana, tsy mijanona intsony amin’ireo heverina fa hery mpifanandrina fantatra

14-févr-2025

hatramin’izay toy ny TIM sy TGV, fa hatramin’ny heverina fa hery samy mpanohana fitondrana aza mifampitrongy. Endrika iray maneho izany ny sary mitranga any amin’ny Kaominina Tanambao Tsirandrany ao anatin’ny distrikan’i Bekily Faritra Androy. Raikitra ny fanakanana ny fandraisam-pahefana ho an’ny kandida namoahan’ny Tribonaly misahana ny ady amin’ny Fanjakana na TAF, famoriana vahoaka maneho fa tsy manaiky ny fahalanian’ny kandida Jean Daniel dit Manjosoa natolotry ny AVI (Asa Vita no Ifampitsarana) izay nahazo salan’iza hatrany amin’ny 65% mahery raha 34% mahery teo kosa no azon’i Lambo Jean Baptiste kandidan’ny IRMAR (Isika Rehetra Miaraka amin’i Rajoelina). « Izahay vahoakan’i Tanambao Tsirandrany dia tsy manaiky ny fandaniana an’i Manjosoa tsy marim-pototra, Tsy manaiky izahay satria hala-bato no nahalany an’i Manjosoa. Tsy lany tamin’ny ara-dalàna fa lany tamin’ny hala-bato, ka tsy manaiky izahay,… Mizara vary ny kandida N°2 niaraka tamin’ny vola 3 hetsy nanambazana ny mpikamban’ny Birao fandatsaham-bato,… », hoy ny ampahan-kabarin’ireo mpitarika ny fihetsiketsehana omaly. Ny andaniny kosa tany am-piandohan’ny fifidianana dia efa nanao ampamoaka, fa sefom-pokontany 4 no noesorina tamin'ny toerany satria tsy manaiky ny hanohana ny kandida miaraka amin'ny fanjakana, ary misy koa ireo mpikamban’ny CENI sasantsany nesorina sy nafindra toerana,… Raha vao miresaka AVI izay Atoa Norbert Lala Ratsirahonana no Filohany dia fantatra fa mpiara-misaika ao anatin’ny fanohanana an-dRajoelina, anatin’ny UPAR (Union des Pro-Rajoelina). Na ny AVI aza izany izao trongisin’ny IRMAR sy ataony mahita faisana raha io sary mitranga any Tanambao Tsirandrany io.
MAHITA FAISANA NY RATSIRAKISME…
Tsy mifanalavitra amin’izany ihany koa ny toe-draharaha any Vatomandry indrindra fa ny ao amin’ireo Kaominina miisa 2 dia Antanambao Mahatsara sy Ambodinonoka nisiana fitsimbadihana voka-pifidianana, ka toherin’ny vahoaka. Kandidan’ny RPR (Rassemblements des Partisans Ratsiraikisme) tarihin-dRtoa Sophie Ratsiraka ireo lasibatra ka ny RPR lany 75% indray no fafana ny vatony nentina nampiakarana ny IRMAR 25%. Nanohana an’i Andry Rajoelina izany RPR izany tamin’ny fifidianana filoham-pirenena, minisitra tao anatin’ny governemanta Ntsay Christian Rtoa Sophie Ratsiraka talohan’ny nirotsahany ho depiote tany Vatomandry, saingy io ataon’ny IRMAR fahirano io. Mbola resaka hafa ny dian-tànan’Itompokolahy Didier Ratsiraka tamin’ny tolo-tsaina ho an-dRajoelina, saingy io lasibatra io zanany, raha ny endrika ivelany. Itony olona tao anaty Fitondrana itony aza mahita faisana, tonga hatramin’ny fanaovana tatitra any amin’ny SADC manoloana ny fanosihosena ny demokrasia, fanitsakitsahana ny zon’olombelona,… Mbola mihorohoro ny vahoaka ao Antanambao Mahatsara mahita ireto mpitandro ny filaminana maro miaraka amin'ny basy manenika ny tanana. Tafahoatra ny fanenjehana sy ny fisamborana ka lasa miafina sy matory any anaty ala ny ankamaroan'ny mponina, hoy depiote io alarobia teo. Ny mpiara-misaika izay tsy hoe niala lavitra na nivadika tao anatin’izao fitondrana izao aza mitondra faisana, mainka fa ny antoko hafa.
TSIPY HODITR’AKONDRO
Tsy hoe nisintaka ny AVI, tsy hoe nitsangana ho mpanohitra ny RPR,… fa ireo misy tratry ny hetraketraka ireo na holazaina aza fa tranga maningana. Na ireo mpanohana fitondrana aza misy milaza fa tsipy hoditr’akondro ataon’ireo mpiara-dia sasany amin-dRajoelina. Vanja milevina ho an-dRajoelina ny fikitikitihana ny AVI sy ny Ratsirakisme, miampy ny lonilony goavana ateraky ny toe-draharaha toy ny ao Antsiranana I hanenjehana ny kandida lanim-bahoaka 65,71% ka hametrahana PDS io. Ho voafehy sy ho voalamina amin’ny basy izay ianteherana mafy ve ?
Toky R
Légende : Fihetsiketsehana fanoherana ny fahalanian’ny AVI nandresy MAPAR any Tanambao Tsirandrany


 

Dans la même rubrique

17-mars-2025

Mpanao politika, mpikatroka TIM, Filohan'ny Delegasiona manokan'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra

Card image cap
17-mars-2025

Ankoatra ny fahatsiarovana ny tolom-piavotana tamin’ny 1947, anisan’ny ahatsiarovana

Card image cap
17-mars-2025

Raikitra ny rombo, nandriaka ny ra noho ny antony ara-politika tao amin’ny Kaominina

Card image cap
14-mars-2025

Miankina amin’ny mason-tsivana moa no antony ilazàna hoe nitotongana na tsia ny demokrasia

Card image cap