airtel

Politique

28-mai-2024

Latsa-bato rahampitso

«15 minitra omenao ny firenena no mety hanova ny faritra misy anao »

Sample post image

Mandrafitra na fitoriana « requête » momba ny fandikan-dalàna amin’ny zotram-pifidianana alefa eny amin’ny HCC

28-mai-2024

amin’izao fotoana ny ekipan’ny mpisolo vava ny kolekitifa an’ny Malagasy amin’izao fotoana izao, ary efa niresaka tamin’ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa. Lalana tsy maintsy izorana izany, fomba fiasa hatraiza hatraiza maneran-tany, raha ny nambaran’ny Filohan’ny FTT (Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana) Atoa Tahina Razafinjoelina. Eo, hoy izy, no tena maha zava-dehibe ilay hoe aza kivy. Nahitsy ny tenany naneho, fa raha mpitondra nahavita asa tsara tsy mandany andro manao propagandy be. Adidinay ny mpitarika ao anatin’ny kolekitifa no mampiseho hoe : tsy kivy sy ny làlana tokony hizorana. Anisan’izany ny hoe : ahoana ity Fanjakana manao propagandy ity ? Misy paikady io fa andao aloha hifanentana hoe : mila mifidy fa tsy manary toky na kamokamo izany. Mifidiana fa andro kely fahefakadiny amin’ny fiaiananao no angatahan’ny Firenena aminao. Mila solombavambahoaka miady sy manery ho an’ny tombotsoam-bahoaka fa tsy hiady ho an’ny tenany, hiady fiara 4x4, ka any no fanovana, ary tsy lavitra, rahafakampitso alarobia. Fahefakadiny avy aminao no mety hanova ny faritra misy anao, hoy ity Lehiben’Antoko ity, izay nanamafy fa mila mandray andraikitra amin’ny fifidianana ny rehetra.
Toky R


 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap