airtel

Politique

24-févr-2022

Politique

Laza Razafiarison “Andao isika hanomana ny hitondrana ny firenena”

Sample post image

Miha sahirana ihany ny firenentsika, hoy ny mpanao politika, Laza Razafiarison. Tsy haiko, hoy izy, raha mbola misy afaka milaza fa tsy sahirana.

24-févr-2022


Tsy vahaolana koa anefa ny handika lalàna ka hanongana na hanisy ratsy izay efa manao ratsy. Tsy dia mahay zavatra maro aho fa ny hadisoan'ny fitondrana nifandimby dia nanome lesona ahy be dia be, indrindra, tamin’ny resaka fitondran-tena. Tsy tonga lafatra aho fa manana fahalemena maro satria efa mba nanao hadisoana ihany koa. Alohan'ny hiarahanao na anohananao ahy dia ireto ny dosie momba ahy fa tiako raha ny vavako no milaza ny mety tsy hitiavanao ahy. Raha mitady olona bogosy sy mpanana ianao dia sady tsy isan'izay atao akory hoe tsara aho no tsy mpanefoefo koa fa rehefa tsy diso sakafo sy fitafy ary fianarana sy fonenana ny ankohonako dia nataoko mahafaly ahy izay. Izay nanaovan'Andriamanitra ny endriko kosa dia ifaliako. Tsy dia miavaka loatra aho fa mitovy amin’ny olona rehetra eo amin’ny sarangam-piainana ka mba ananan'ny olona trosa ihany koa fa tsy mbola niady taman'olona kosa tamin’ny resa-bola. Tsy namanao aho amin’ny resaka fety. Any anaty ala aho no mahazo aina indrindra ary eny amin’ny seranam-piaramanidina aho no ianjadian-drarin-tsaina indrindra. Aza manandrana mifosa olona aty amiko fa tonga dia heveriko ho ianao ilay fosaina. Aza mieritreritra ny hiaraka hanao politika amiko raha hitady tombontsoa manokana, na seza, na hanao fidirana an-tsehatra na “intervention” fa tsy haiko izany. Tsy mahalala havana na namana aho amin’ny resaka politika fa aza manonona an'izany akory. Tsy tia miady na mifamaly aho fa aza mieritreritra hoe rehefa mitondra aho dia hiady no atao praograma na hamalifaty. Maro ny kilemako fa raha zakanao ireo efa voalaza dia andao isika hanomana ny hitondrana ny firenena. Aza manavaka olona, antsoy ny maro fa sao mba any aminy ny vahaolana. Atambaro ny hery, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Hampandany tsy misy fepetra ny kandida Avotra sy Jimmy natolotry ny Vovonana Firaisankina

Card image cap
02-mai-2024

Akaiky fifidianana isika amin’izao fotoana izao, ary mandeha indray ny fomba rehetra hanjonoana na hanerena

Card image cap
30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap