airtel

Politique

29-sept-2021

Politique

Laza Razafiarison “Hiverina hanala CEPE aho raha mahavaha olana ny governemanta”

Sample post image

Efa miomana hiverina hanala CEPE aho, araka ny fampanantenana nataoko hoe raha manova zavatra ka mamaha olana io Governemanta vaovao io dia mila miverina manala CEPE aho

29-sept-2021

, hoy ny mpanao politika, Laza Razafiarison omaly. Mba omeo “sujet type” azafady izay manana, hoy izy. Niandry koa aho ireo izay milaza tompon’ny vahaolana fa raha mba misy any na “diplomé” na “chef religieux” na “grand maître spiritual” na hafa dia mba vahao ny olana fa mijaly ilay gasy. Mbola tsy misy nilaza ideolojia akory na iray aza ireo mitonona hitondra vahaolana teto dia hoy ireo nahita fianarana hoe efa misy hery fahatelo hono any fa tsy izy roalahy intsony no eto. Dia raikitra tokoa ny “sondage” na tsapan-kevitra, izany hoe rehefa misy vahoaka maro sy vola be dia izay no atao hoe “force”. Ry adala sy votsa saina! Mandra-pahoviana no hianteheranareo amin’izay hitan'ny masonareo nefa na ny hazavana aza tsy mbola naposaka eo aminareo akory? Tsy fantatrareo va fa raha tsy eo ny mazava dia tsy misy ilana azy akory ny masonareo? Novonoinareo ny jiro hanilo ny lalanareo ka natakalonareo ny in-dray mihinana tsy mahavita andro akory. Nolavinareo ny vato fototra nefa mieritreritra ny hanao fanorenana ifotony ianareo. Indro loza no mitatao eo am-baravaranareo, hoy hatrany ity mpanao politika ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap