airtel

Politique

28-mars-2024

Lehiben’ny faritra taloha any am-ponja

Kotrehana havoaka hatao kandida depiote…

Sample post image

Nidoboka am-ponja ao Antanimora efa tapa-bolana izao Atoa JR lehiben’ny faritra Analanjirofo tamin’ny fitondrana Rajaonarimampianina,

28-mars-2024

raha ny loharanom-baovao. Resa-pitantanana tamin’ny fotoana nitantanany no voalaza fa vesatra hanenjehana azy. Fanodinkodinam-bola na « détournement de denier publique» tamin’ny naha Lehiben’ny faritra azy ve? Ankehitriny, misy miketrika ny hamoahana azy fa hoe : hatao kandida depiote ao Fenoarivo Atsinanana amin’ny loko politika izay inoana fa efa fantatry ny besinimaro. Isan’ireo mpanao politika malazalaza tao Fenoarivo Atsinana rahateo izy, ka depiote am-perin’asa efa avy minisitra avy any amin’iny faritra Atsinanana iny no voatonontonona ho voalaza fa manosika azy mafy ho tonga amin’izany toerana izany. Vao tsy ela no tao Antanimora nijery azy tany anadahin’io depiote io, raha ny loharanom-baovao. Depiote iray loko amin’ilay iray voalaza etsy ambony ihany koa anefa no voalaza ho no nanatsikafona ny raharaha tany amin’ny tendrom-pitsarana misahana ny kolikoly na ny PAC. Asa izay ho fandehany ao hoe: mety ho kandida depiote ao Fenoarivo Atsinanana ihany sa hanao akory? Sary efa nitranga teto amintsika tamin’ny fifidianana 2019 rahateo ny hoe: olona migadra any am-ponja no voafidy ho depiote, izay tsy fahita maneran-tany. Ny lalàna moa etsy andaniny dia mametraka fa mbola tsy meloka ny olona iray raha tsy mbola misy ny didim-pitsarana raikitra mikasika azy. Na izany na tsy izany, politika no resaka eto, ka sao ny resaka kajy politika no entina hanatsaharana ny fanenjehana ara-pitsarana? Raha ny mason-tsivana nambaran’ny antoko iray vao andro vitsy dia tafiditra ao anatiny ny hoe: tsy manana dosie maloto ka asa hanao ahoana ny momba itony olona itony? Tsy resaka fankahalana olona na finiavana hitsikera be fahatany, fa toa zary lasa fomba fiady politika eto amintsika ny fikatsahana hialoka ao anatin’ny zo tsy azo henjehina na “hummunité parlementaire” ho an’ny politisianina na mpandraharaha manana dosie maloto. Fampandrosoana inona andrandraina sy ho hita ao anatin’izany? Moa tsy vao mainka hanalalahan’ny mpanao politika sasany ny aferany ve ny fahefana azony?
Toky R

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap