airtel

Politique

02-nov-2021

Politique

Lisi-pifidianana mampifanolana lava Misy vahaolana tsotra sady tsy mandany vola

Sample post image

Olana mbola tsy mety voavaha hatramin’izao ny resaka lisi-pifidianana.Izay fifidianana rehetra natao , Filohan’ny repoblika, solombavambahoaka,

02-nov-2021

 ben’ny tanàna dia nahitana fitarainana momba ny tsy fetezan’ny lisi-pifidianana avokoa.Vao nanamafy ny herinandro lasa iny ny filohan’ny CENI teo aloha Hery Rakotomananana fa na hisolo im-polo na in-jato eo aza ireo mpikambana ao amin’ny CENI dia hisy foana ny doublon rehefa tsy ny lisi-pifidianana io mihitsy no alamina sy arafitra tsara.Teny Malagasy tena mazava be izany ary azo isintonana fa misy fomba fanao, misy fomba fiasa tsy maintsy hahitsy sy hatsaraina
IREO TSY FAHATOMOMBANANA
Ny vokadratsiny dia misy olom-pirenena very zo, izany hoe tsy afaka nifidy. Inona moa ireo olana : olona efa maty mbola ao anaty lisi-pifidianana, olona nipetraka am-polotaonany teo amin’ilay fokontany salama tsy manahy ary velona tsara kanefa tsy ao anaty lisitra ; misy ao anaty lisitra ihany fa diso ny anarana na adiresy na ny asa aman-draharaha ; misy indray andian’olona tsy misy mahalala mihitsy eo amin’ilay fokontany kanefa misoratra soamantsaa ao anaty lisi-pifidianana.Ireo amin’ny ankapobeny ny zava-misy, mbola mitarika olana iray hafa indray avy eo ny resaka karatry mpifidy .
VAHAOLANA
Maro no mihevitra fa voalohany aloha foanana sy tsy ampiasaina intsony ny karatry ny mpifidy fa sady mandany vola , mandany fotoana ary loharanon’olana kany karapanondrom-pirenena no entina mifidy ; eto no tokony hampiseho ny fahaizany amin’ny resaka digitalisation ny fitondram-panjakana, efa hidirana rahateo ny karine manara-penitra ka inona moa no antony tsy hahavitana izany amin’ny kara-panondro sy ny lisi-pifidinana.Faharoa ovaina ny lalàm-pifidianana fa tsy isaky ny 10 taona vao hanao fanavaozana tanteraka (refonte) ny lisi-pifidianana, fa atao ao anatina fe-potoana fohy kokoa izay apetraky ny teknisianina.Manana manam-pahaizana maro isika eto Madagasikara momba ny fifidianana, kajy mirindra, informatika sy famoronana rindram-baiko logiciel), ka inona moa no tsy hiresahan’ny fanjakana amin-dry zareo ireny.Fahatelo, ampandraisina andraikitra feno ny fokontany sy ny kaominina amin’ny fitsirihana sy fanisana ny mpifidy fa tsy olon’ny CENI nofanina kely 2 na 3 volana no handeha hanisa mponina maimaika mba hahazoana tambin-karama kely. Tsy mila volabe hitalahoana amin’ny any ivelany lava izao izany fa fandaminana asa dia efa mandeha ; mazava ho azy fa arahana fampitaovana isan-karazany izany toa ny bisikilety, moto, fiara, taratasy, penina, solosaina, imprimante, finday sy fahana…Ny ao amin’ny fokontany no mahafantatra ny fokonolona miaina ao aminy.Afaka apetraka ny lamina fanarahamaso avy eo ; ny olana misy foana fa ny olombelona ihany koa dia manan-tsaina hikaroka vahaolana ary ny fahaiza-mandamina no enti-miady. Hitarika savorovoro foana mantsy izay fifidianana ato eto rehefa mbola mifampiahiahy amin’io resaka lisi-pifidianana sy isan’ny mpifidy io, koa tsy aleo ve vahana ny olana fa tsy avela hitoetra sy hamotika fiarahamonina eo.
RTT
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap