airtel

Politique

21-mai-2024

Livasoa kandida laharana faha-5 ao Betafo

« Hiady ho an’ny tantsaha sy ny mpamokatra Malagasy izahay »

Sample post image

Ao an-damosin’ny kandidan’ny Firaisankina laharana faha-5 Livasoa Randriatahinamalala ny vahoakan’i Betafo.

21-mai-2024

An-dalana ny poa-droa raha ny sary miseho, ary efa eny Tsimbazaza ny ilan-tongotry ny lisitra firaisankina. Mipetraka ny toeran’ity kandida tanora vao 40 taona zanak’i Betafo ity, izay efa nasehony tamin’ny fitantanana ny kaominina fa mahavita izy na maro aza ny antsojay. Anisan’ireo vato nasondrotry ny tany, nivoaka tamin’ny andiany faha-17 amin’ny teo anivon’ny CEDS (Centre d’Etudes Diplomatique et Stratégique), mbola manomana ny thèse de Doctorat ao amin’ny Ecole Doctorale EAD 4 Sampana Sociologie i Livasoa Randriatahinamalala. Tsy vaovao amin’ny fitantanana satria efa niasa tamin’ireo sampan-draharaha iraisam-pirenena toy ny WWF Menabe, USAID Madagascar, efa mpandridra tetikasa lehibe teo ambany fiahian’ny PNUD taty Afrika. Sekoly ho azy ny naha ben’ny tanàna, niaina fijaliana na fanilikilihana sy sotasota na ny tenany na ny kaominina. Tsy nanomezana kamio hanalana fako ho an’ny kaominina, ny fanentanana ny vahoaka tsy handoa hetra,... Ny tenany manokana izay namoronana dosie ka niaka-nidina teny amin’ny Bianco sy ny PAC. Vao mainka nanosika azy hiakatra ambony kokoa amin’ny fandraisana andraikitra. Roa no tolo-dalana na fanatsarana ny lalana ho entiko eny amin’ny antenimerampirenena, voalohany dia izao ny fanamboarana ny « code de l’eau » satria mahatonga ny « organisme privé » hahazo tombony mihoa-papana, hoy izy. Ho an’i Betafo, taloha notantanan’ny kaominina ny rano, « forfaitaire » 3000ar isaky ny kaontera no alohan’ny vahoaka, niadana ny olona ary niditra ny vola ho an’ny kaominina satria dia nampiditra eo amin’ny 3000 000 ariary isam-bolana eo ny rano izay « recette propre » an’ny kaominina io. Amin’izao fotoana izao, nomena mpitantana tsy miankina ny fotodraditrasa, vaky ny fantsona, miparitaka amin’ny lalana ny rano. Lafo anefa ny vidin-drano, izay mampitaraina ny vahoakako ary indrindra eo amin’ny vola kely 700 000ariary isam-bolana no mba hetra miditra amin’ny kaominina. Tolo-dalàna faharoa ny tontolon’ny fihariana sy fiveloman’ny ankamaroan’ny vahoaka toy ny ao Betafo dia ny ronono, fiompiana omby vavy be ronono daholo ny olona,… Mitombo ny vokatra vahiny mitosaka sady amidy mora, ka maty ny tsena ato anatiny, mihena 50% ny fanangonana rononon’ireo orinasa mpanodina ronono mandray ny rononon’ny tantsaha, dia izao no vokany mijaly sy maty ny tantsahanay, ka hijoro aho hiteny ny fanjakana mba handray fepetra ny amin’ny tsena anatiny ho fijerena ny mpamokatra malagasy, hoy i Livasoa Randriatahinamalala. Nanentana ny vahoakan’i Betafo hifidy ny laharana faha-5 noho izany ny tenany, ka poa-droa no tanjona.
Toky R

 


 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap