airtel

Politique

14-janv-2021

Politique

Loholona Mourad Abdirassoul « Tsisy hafenina ato, haverinay hatramin’ny fiara azonay»

Sample post image

Nisy tarehin-javatra niseho, nisy loholona vaovao tokony haka ity toerana ity no

14-janv-2021

 

 

efa tonga sahady haka ny birao, kanefa mbola amin’ny 19 janoary vao hivory ny loholona vaovao hizara ny andraikitra. Tsy mbola misy loholona tokony ho tonga aty satria mbola manapitra ny fe-potoana iasanay hatramin’ny 21 janoary misasak’alina izahay, araka ny voalazan’ny Lehiben’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, hoy ny Kestora voalohan’ny Antenimierandoholona Mourad Abdirassoul. Amin’ny 25 janoary ny fifamindram-pahefana eo amin’ny birao maharitra eo aloha sy ny vaovao. Efa vonona hanao izany izahay virao maharitra ankehitriny, vonona amin’ny mangarahara, hasehonay ny fitondrana tsara tantana ary ataonay afa-po izay handray ny toeranay amin’ny antontan-kevitra izay ilaina. Miangavy anareo loholona vao lany mbola tsy hanelingelina anay fa mbola tsy manana fahefana ato ianareo; ny mampalahelo dia ny Filoha lefitr’I Fianarantsoa no niantso anay hoe mbola tsy nomeko an-dry zareo ny biraoko, ary mbola tsy ao daholo ny entako, hoy izy. Hataonay araka ny tokony ho izy io, ary hataonay ho maodely. Fifamindram-pahefana tsy misy rahoraho, araka ny lalàna, vonona izahay ary hatramin’ny fiara azonay tato dia haverinay daholo, hoy io Kestora io.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap