tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 26 Mai 2023

airtel

Politique

Lola Rasoamaharo Gadraina noho ny resaka lonilony avo lenta ?

Nidoboka vonjimaika etsy Antanimora ny takarivan’ny sabotsy 25 martsa lasa teo Atoa Roland Hubert Rasoamaharo Tale Jeneralin’ny La Gazette de la Grande Ile, rehefa avy nampandalovina teny amin’ny Fitsarana Anosy efa madiva ho alina.

27-mars-2023

Sample post image

MIFAMAHOFAHO BE IHANY
Nifamahofaho tanteraka ny antony nisamborana sy nampidirana am-ponja azy ny sabotsy teo, saingy omaly dia fantatra fa Rtoa Victoire Brigitte Razaka Mpandraharaha vadina diplaomaty vahiny avy any Italie no nitory, ary ny mpisolo vava ity farany no nanao fampitam-baovao tamin’ny mpanao gazety, ka "tentative d'extorsion de fonds, menace, diffamation et injures" na fitakiam-bola tsy ara-drariny, fandrahonana, fanalam-baraka no nambara fa vesatra hanenjehana azy. Voalazan-dRamatoa Victoire Brigitte Razaka tamin’ny mpisolovava azy fa nanomboka tamin'ny volana novambra 2022 ny tenany no nitakian'Atoa Lola Rasoamaharo vola tsy ara-drariny mitentina 885 tapitrisa ariary tao anatin'ny fiaraha-miasa nisy tamin'izy ireo. « Nampitahorina halaina baraka raha tsy manaiky ny fiaraha-miasa taminay. Rehefa tsy nanaiky ny porofon’ny vola notakiany tamiko izy, dia nofenoiny « graffiti » misy ny anarako, feno fanalam-baraka ny rindrina akaikin’ny toerana misy ny fonenako sy ny làlana fandehanako andavanandro tamin’ny volana febroary. Nitebiteby andro aman’alina izahay sy ny vady aman-janako, ary voatery niala kely teto Antananarivo mihitsy aza”, hoy ny voalaza fa fitarainan’io Rtoa mpitory io novakian’ny mpisolovava azy. Voalaza fa notapenana ireo soratra misy anarana miisa 40 saingy tonga andro aman’alina ny fandrahonana am-bava sy an-tsoratra ary ny fitakiana vola. Ny 22 martsa, niverina indray ny graffiti misy anarana sy manala baraka eraky ny rindrana. Nitombo maherin’ny 50 satria natahotra ny ainy, ka nametraka fitoriana. Nanipika ny avy amin’ny mpitory, fa adin’olona tsotra. Andrasana ny tohiny sy ny mety ho setriny avy amin’ny mpisolovava ny ankilany raha hisy an’izany.
INONA NO VOALAZAN’NY LALANA?
Raha miverina kely tsotsotra amin’ny lalàna fotsiny satria mpanao gazety sy tompona gazety no voaresaka eto, ny andininy faha-20 ao anatin’ny lalàna 2020-006 mifeny ny haino vaky jery na « Code de la Communication médiatisée» dia milaza mazava fa tsy misy intsony ny fanagadrana mpanao gazety fa lamandy no saziny raha toa izy ka voamarina eny amin’ny Tribonaly fa nanao fahadisoana ao anatin’ny asany na ilay atao hoe « délit de presse ». Raha raisina amin’ny fanazavan’ny mpitory kosa, any amin’ny resaka fahadisoana noho ny fanohintohinana ny zo maha olona na "délit de droit commun" no namelezana an’I Lola Rasoamaharo, ary ny fehezan-dalàna famaizana na “Code pénal” no mety hitondrana azy. Andrasana ny fivoarany satria maro ihany koa no maneho hevitra sy mieritreritra fa mety ho tafiditry ny raharaha politika sy resaka lonilony avo lenta ihany io raharaha io noho ny orinasan-gazetin’Atoa Lola Rasoamaharo masiaka fanoratra. Matetika moa no henjehina amin’ny ady heloka tsotra na ady heloka bevava ny mpanao gazety amin’izay mangiana ho azy ilay lalàna mifehy ny asa fanaovan-gazety ; ary mangiana miaraka amin’izay ihany koa ilay mpanao gazety..efa any am-ponja tsinona.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Digitalisation” eny amin’ny fokontany Mbola ny karine aloha izao no atobaka
26-mai-2023

Nandritra ny fitokanana biraom-pokontany tao Ambatolahikisoa Fianarantsoa omaly 25 may 2023 no nilazan’ny Filoha

Card image cap
Depiote Todisoa Andriamampandry “Tohizantsika ny fanamboaran-dàlana...”
26-mai-2023

Tahaka ireo fokontany maro ao amin’ny anatin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo, mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dàlana eny amin’ny fokontany Ambatolampy sy Avaratanana (Procar).

Card image cap
Politika sy krizin’andrim-panjakana Tsy te hatao sorona ny governemanta
26-mai-2023

Mihamafy ny krizin’andrim-panjakana eto amin’ny tany sy ny firenena na hiniana sarontsaronana hatrany ny hoe : tsy misy krizy politika eto aza.

Card image cap
Tsy fahafehezana arofenitra Sambany nisy biraom-pokontany notokanana filoham-pirenena
26-mai-2023

Taorian’ny lazan’ny fandoarana «riz cantonais» dia sambany koa izany izao no nisy biraom-pokontany notokanana filoham-pirenena teto Madagasikara.

Card image cap
Antoko Ny Fireneko «Fifanarahana mankany amin’ny fitoniana no andrasana»
26-mai-2023

Mivoy ny amin’ny tokony hisiana fifanarahana politika amin’izao fotoana ny antoko politika sasantsasany, hoy ny antoko politika Ny Fireneko.

Card image cap
Fandraisana ny Filoha ao Betafo amin’ny jona
26-mai-2023

Terena hividy “polo orange” ny mpiasam-panjakana ?

Voir plus