airtel

Politique

25-avril-2025

Lova Andriaparany

«Ity fitondràna ity no nanome vahana indrindra ny frantsay»

Sample post image

Ny 37,5%n’ny vola miasa amin’ilay tetikasa Volobe moa izany no hoe hovatsian’ny fitondràna frantsay

25-avril-2025

amin’ny alalan’ny EDF na «Electricité de France», hoy ny mpandalina tantara sy raharaham-pirenena, Lova Andriaparany na Doda. Nanome vola 25 tapitrisa Euro hikarakarana ny fanabeazana koa izy ireo, hoy izy. Isan’ny nosoniavina koa ny resaka zotra an-dalamby. Noresahina koa ny fitrandrandrahana ny atao hoe «terre rare» na tany tsy fahita firy, raha adika ara-bakiteny, misy miteny koa hoe fasimainty. Hita ho niha nafana ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy Frantsa taorian’ny fitsidihana ara-panjakàna nataon’ny filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron, izay nitohy tamin’ny fihaonana an-tampon’ireo filoham-pirenena anaty COI. Niha nahazo vahana teto kokoa ny frantsay nanomboka ny taona 2009 no ho nankaty, mitaha amin’ny fitondràna tany aloha rehetra, raha ny tantara no jerena. Raha singanina manokana ny 1958 hatramin’ny 1972, izay nanomezana ilay fahaleovantena sarintsariny, dia nanjaka tanteraka teo ny frantsay. Ny taona 1975 hatramin’ny 2008 kosa dia hita ho tsy dia nahazo vahana firy ny frantsay satria ny fitondràna Ratsiraka izao, tao anatin’ny repoblika faharoa, dia somary nanao anjorombala ny frantsay raha nitodika kokoa tany amin’ny firaisana sovietika, izany hoe ny firehana tantsinanana fa tsy tandrefana. Ny repoblika fahatelo tapany faharoa, nanao ilay atao hoe repoblika malalaka, izay namelatra kokoa ny fiaraha-miasa tamin’ny firenen-kafa ankoatran’i Frantsa. Ny repoblika faha 4 dia nanome vahana indray ny frantsay. Izany hoe ity fitondràna ity no nanome vahana indrindra ny frantsay. Manomboka very lalana aty Afrika nefa i Frantsa, indrindra, Afrika frankofonina. Ny ankamaroan’ireo zanatany frantsay ao Afrika andrefana no efa niala amin’i Frantsa. Malaza amin’izany moa i Mali, Niger, Burkina Faso. Nanala ny andian-tafika frantsay koa i Senegal, Tchad, Cameroun. Very toerana aty Afrika i Frantsa io dia aty amin’ny ranomasimbe indianina indray izy no maka toerana. Azo lazaina ho manana tombony bebe kokoa ny aty satria La Reunion sy Maioty izao frantsay. Azo lazaina hoe voahodidin’ny frantsay izany i Madagasikara na amin’ny lafiny ara-jeografika na jeopolitika. Tsy maintsy hitady ny tombontsoany aloha ny frantsay. Hatreto dia mbola tsy hita firy izay tombontsoa azon’i Madagasikara tamin’i Frantsa fa na ny maherin’ny 70%n’ny orinasa eto aza frantsay no mitantana azy. Mandoa hetra ho an’i Lafrantsa ireo na eto aza. Tsy mila resahina akory ny lafiny ara-toekarena hafa. Miankina amin’ny fahaiza-mandresy lahatry ny mpitondra malagasy ihany izany no ahazoantsika tombony amin’izao na tsia, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija


 

Dans la même rubrique

13-mai-2025

Raikitra indray ny fanamboarana serasera sy fanehoana fa tena akaikin’ny vahoakan’ny Fitondrana Rajoelina.

Card image cap
13-mai-2025

Haka fahefàna sy hitondra firenena no tanjon’ny antoko politika, hoy ny antoko politika Fanare.

Card image cap
13-mai-2025

Toy izao ny fomba nialan’i Kolonely Patrick Rakotomamonjy tao amin’ny Toby tamin’ny

Card image cap
13-mai-2025

Hanao filankevitry ny Minisitra mitety faritra indray ny Fanjakana Rajoelina amin’ity anio alarobia 13 mey 2025 ity,

Card image cap
09-mai-2025

Tsy any amin’ny hoe harena tokony ho trandrahana loatra ny Base Toliara

Card image cap
09-mai-2025

Ny « Directeur de la Police Judiciare » na DPJ eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena Colonel Tahiana Ravelomanana

Card image cap