airtel

Politique

24-janv-2024

Lova Fanantenana Andriamparany na Doda

“Ilay mitondra mihitsy ve no tsy hay?”

Sample post image

Nahazo governemanta vaovao isika io hiatrehana indray ny 5

24-janv-2024

taona hoavy anaty fitondran’i Andry Rajoelina, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Lova Fanantenana Andriamparany na Doda. Ankoatran’ny minisitra miisa 27 moa dia hoe hametraka sekreteram-panjakana izy ireo, hoy izy. Misy tsy tokony hananganana izany angamba ny sasany fa ny minisitera misy azy ihany dia mahavita an’izay. Ny fahaiza-manao sy traikefa anaty sampan-draharaha no tokony hamafisina fa manjary mandany volam-bahoaka. Fomba fanao hatramin’izay satria lany koa ny fotoam-piasan’ny solombavambahoaka, indrindra, ny ben’ny tanàna, dia tanjon’ny fitondrana ny hahazo maro an’isa hanamafisana kokoa ny fahefana sy hanaporofoana fa mbola matanjaka izy. Hitondra fampandrosoana marina ve izay? Ho hitantsika eo. Fotoam-pitondrana faharoa sady farany io ho an’ny filoha Andry Rajoelina raha ny lalàmpanorenana no jerena. Ny 5 taona voalohany azo lazaina hoe sahirana ny firenena, ny fitondrany, ny vahoaka, raha ny mari-drefin’ireo mpiara-miombon’antoka any ivelany sy ny hita maso eto amin’ny firenena. Raha ny fijery azy dia hanova famindra sy tetika ny fitondrana ankehitriny. Antananarivo manokana dia io iaraha-mahita io ny azo lazaina hoe tsy fahombiazan’ilay ben’ny tanàna nolazaina fa zanaka an-tranon’ny fitondrana. Potika ny fitondrana. Potika ny renivohitra. Ny loto isan-karazany. Ny fako tsy voaraoka tanatin’ny volana maro. Mitovitovy amin’ny tamin’ny taona 1990 tany ho any izao fikorontanana sy loto eto Antananarivo izao. Repoblika faharoa niampita tamin’ny tetezamita ho any amin’ny repoblika fahatelo izany. Nisy ny fanamboarana nataon’Itompokolahy Guy Willy Razanamasy. Nanadio ny tanàna tamin’ny endriny rehetra. Nahitana fahombiazana izany dia notohizan’ny fitondrana Ravalomanana. Tonga ny taona 2009 dia nikorosofahana indray i Antananarivo. Azo lazaina hoe zanaka an-tranon’ny fitondrana foana no nitondra an’Antananarivo nanomboka teo hatramin’izao 2024 izao. Ny vahaolana politika ve no tsy hananana sa ilay mitondra mihitsy ve no tsy hay? Mahamenatra hoe eny afovoan-tanàna, eny Anosipatrana no hanariana fako. Mariky ny tsy fahombiazana ireny ary mitarika aretina sy avoretrana, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap