amiko?”, izany teny ao amin’ny Baiboly ao amin’ny Estera 8:6 izany no nitondran’ireo vehivavy nirotsaka ho kandida filoham-pirenena miisa 3 saingy ny 2 nanala ny antotan-taratasy firotsahan-kofidiana, noho ny fahitana ny fikarakarana izany fifidianana izany ho miha mitanila hatrany ary ny 1 moa nolavin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Olompirenena vehivavy, renim-pianakaviana izahay, hoy ny filohan’ny antoko politika Madagascar perfect, Sylvia Ranaivojaona. Nanana fahavononana handray andraikitra teto amin’ny firenena tamin’ny alalan’ny firotsahan-kofidiana ho filoham-pirenena, hoy izy. Vonona mandrakariva izahay hikatsaka ny mahasoa ny mpiara-belona sy firenena. Mahita sy miaina ny zava-misy izahay. Voalohany ny fampizarazarana ny malagasy ka hamerenana indray ny zarazarao hanjakana. Mety hitarika amin’ny fanjakan’ny Baroa ary hiafara amin’ny ady an-trano izao fifandonana izao. Miaina anaty tahotra sy horohoro ny vahoaka noho ny savorovoro misy. Manjaka ny tsy fanajana ny lalàna. Voahosihosy ny demokrasia, hoy hatrany ity kandida ity. Fotoana izao hidirana amin’ny rafitra vaovao manome hasina ny kolontsaina malagasy sy ny fomba malagasy ary ny fahendren-drazana, hoy hatrany ireto kandida ireto, ka miantso ny fikaonandohan’ny samy malagasy handraisan’ny herivelona rehetra anjara ahitana vahaolana. Samy niatrika ireo mpanao gazety nanao ity fanambarana ity avokoa moa ireo andriambavilanitra voakasika dia ny filohan’ny Madagascar perfect, Sylvia Ranaivojaona, ny filohan’ny Avotantsika miaraka i Madagasikara na AMM, Masy Goulamaly, ny sekretera nasionalin’ny antoko politika Arema na Antoko revolisionera malagasy, Annick Ratsiraka.
J. Mirija
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny