airtel

Politique

25-avril-2022

Politique

Madagasikara Ny vahoaka no maditra sa ny mpitondra no adala ?

Sample post image

“Ny fahefana ve no mora maha lasa adala sa ny adala no mora mahazo fahefana?”, fehezantany malazan’Atoa Laza Razafiarison mpanao politika, ilay notaritarihina tahaka ny biby teny Analakely tamin’ny jolay 2013 andron’ny tetezamita,

25-avril-2022

rehefa nahasahy nijoro fa tsy manjary ny fitantanana ny firenena. Fanontaniana tena mbola mitoetra mandrak’androany io raha tarafina amin’ny zavatra iainan’ny firenena Malagasy ankehitriny. Betsaka ny zavatra kisampotsapmona amin’ny fitantanana ny firenena, mitombo ny handalan’ny mpitondra sy manampahefana sasany, betsaka ny olona tsy manana fahamarinan-toerana ara-piarahamonina sy mety ara-tokantrano mihitsy aza angamba ao anaty Fanjakana ary mety misy any amin’ny farantampony aza, mitombo ireo tsy manana fitonian-tsaina,… Ny firenena rahateo toa krizy mandaban-taona, ny rarin-tsaina mitombo, hany ka mety misy fiantraikany amin’ny fanapahan-kevitra,… Ilay fahazoana ny fahefana no mahatonga an’ireny, sa efa talohan’izay? Indraindray mampametra-panontaniana ihany koa raha mijery an’ireny laharam-pahamehana ireny hoe: ny vahoaka mihitsy ve no tena mbola taraiky sy voagejan’ny fomba fijery fahagola fa ny mpitondra efa tena lasa lavitra be noho ny mety ho zavatra hitany sy niainany tamin’ny fanatontoloana tany ivelany! Etsy andaniny, ilay mpitondra ve no adala sy tena badraodra tsy mahalala mihitsy ny atao hoe: Malagasy araka ny toetrany, fomba fiainanany, ny fihinany,… hany ka toa ny vahiny indray no manoro azy fa mila mamboly ianareo. VOAN’NY BEMANAIKY? Lasa mifanipaka toy ny atsimo sy avaratra, ka raha karama miakatra sy vidim-piainana midina no tadiavin’ny andaniny, kianja isaky ny distrika sy fitaterana mandeha amin’ny tariby handaniam-bola tsy toko tsy forona amin’ny sarany lafo be no valiny. Aiza ve ka misy mahavita miteniteny foana milaza fa roa taona ny vary vao miakatra. Ianao indray manongo tena hoe: ilay lohany farantampony amin’ny fitantanana firenena mihitsy no miteniteny foana. Tsy fahaizana sa hadalana na koa te hanisika ny heviny fotsiny? Betsaka ny lesoka eto amin’ny fomba fitantanana ny firenena, izay miteraka fihemorana sy mandetika antsika any anaty lavaky ny fahantrana lalina. Mbola tsy nisy harin-karena -7% izany teto. Manjaka ny kolikoly amina miliara maro, hadalan’ny manam-pahefana, fitantanana tsy mangaraharaha,… fa toa tsy rototra intsony ny olona, mbola mety ho lany ilay ilay mpitantana tsy manjary avy eo satria misy mpifidy ny minia jamba, ary ao ny tsy mandray andraikitra ka manamora ny halatra. Manaiky lembenana Ramalagasy ka miakatra hatrany ny daozin’ny hadalana, fampanantenana poakaty,… Etsy andaniny, teknisianina daholo ny rehetra amin’ny fanakianana, fa tsy misy hita popoka rehefa handray andraikitra. Miraviravy tànana no betsaka hatreto, betsaka no andairan’ny fandemen-tsaina hoe isika efa izao mihitsy,… Midongy hitovy sy hilahatra amin’ny vahiny kanefa ny olona mandeha mifidy olana be izany 26% tsy tonga nandatsa-bato izany, fa ny antsika mety zara raha 30% no mandray anjara indraindray. Rahoviana vao ho taitra? Sa kosa tonga amin’ilay hoe: ny vahoaka maditra dia mahazo mpitondra adala?
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap