airtel

Politique

25-mai-2022

Politique

Madagasikara Tsy handroso raha tsy voafehy ny harena eto

Sample post image

Olana ho an’i Madagasikara ny tsy fahafehezana ny sehatra tokony ho laharampahamehana, kanefa ny fitantanana sy fanomezana hasina ny harena tsy tena tafapetraka.

25-mai-2022

Ny resaka fambolena 80 hatramin’ny 90% amin’ny Malagasy no tantsaha saingy tsy tena homena vahana ao anatin’ny politikam-pirenena, fa mbola ny sehoseho ivelany no ambony. Ny fambolem-bary aza moa ny Filoha izao mihitsy no mahasahy miteny fa tsy afaka hiandry ny vary roa taona vao miakatra. Ny resaka harena na an-kibon’ny tany, na an-tanety, na an-dranomasina tsy voafehy. Tsy handroso velively isika raha tsy voafehy ireo sehatra tena mahasahana ny besinimaro, ankoatra ny fifehezana ny harena, izay azo havadika ho herijika lehibe amin’ny asa fampandrosoana. Lojika ary mitombina hatrany ny hoe: mahantra eo ambonin’ny harena isika, I Madagasikara manan-karena fa ny vahoaka mahantra,… Raha vita fotsiny ny mampiodina araka ny tokony ho izy ny fitrandrahana solika mavesatra ao Tsimiroro, ohatra, dia efa manome aina ny Jirama, fitaterana, orinasa,... Manodidina ny 10 hatramin’ny 15 miliara barila ny tahiry ao, raha ny tomban’ny manam-pahaizana. Mila fehezin'ny fanjakana ny volamena, mila fehezina ny jono sy ny fari-dranomasin'i Madagasikara izay mahatratraa hatrany amin’ny 200 miles. Ny ZEE (Zone économique exclusive) izay azo trandrahana hanomezana aina ny toekarena. Mila atao mitombina tsara ny fepetra rehetra hampirisihana ny fandraharahana sy ny fampiasam-bola : angovo sy herinaratra, lalàna, fepetra, fitoniana, fandriampahalemana. Io iaraha-mahita io anefa ny fisiana orinasa lehibe toa tratry ny fandroahana ankolaka, misy ny voalaza fa hisintaka an’I Madagasikara,… Tokony homena toerana tena lehibe sy mendrika azy ny fampandrosoana isam-paritra, araka ny zava-misy isaky ny faritra. Mila alamina sy arindra ny fitsinjaram-pahefana sy fitsinjarana ara-bola fa tsy ny 95% amin’ny vola gejain’ny Fanjakana foibe avokoa. Rehefa hita ny fivoarana ary miha mahazo aina ny toekarena, misy ny fitoniana,... mipetaka ho azy ny toeran'i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ary miha mora ny fifampiresahana sy fifandresen-dahatra amin'ireo PTF (Mpiara-miombon’antoka ara-teknika sy ara-bola), misokatra ho azy ny mason’izao tontolo izao, fantatry ny olona ho azy I Madagasikara,... Ny antsika mantsy toa ny kisehoseho ivelany no betsaka, toy ny hoe: hanao “tourisme de luxe” kanefa ny làlana tsizarizary, ny fitoniana tsy misy,… Mila fahaiza-mitantana sy mijery ny tena laharam-pahamehana fa tsy mitondra firenena miainga amin’ny kisendrasendra sy ny zava-mitranga. Mila miainga amin’ny filàna fototra hoe: manan-kohanina ve ny vahoaka ? Misy trano honenena ve? Mianatra ve ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap