airtel

Politique

28-févr-2024

Madagasikara tsy maintsy mandroso

Lasa fanompana ny Gasy, miha gisitra hatrany ny Firenena

Sample post image

Eo amin'ny laharana faha-220 amin'ny tanàn-dehibe 241 eran-tany

28-févr-2024

no misy an'Antananarivo mahakasika ny kalitaon'ny fiainana an-tanàn-dehibe raha ny fanadihadiana nataon'ny Mercer teo anelanelan’ny volana septambra sy novambra 2023. Lafin-javatra maro no manamarika ny filaharan'ireo firenena amin'ny resaka kalitaon'ny fiainana toy ny fitoniana ara-politika, ny fitsaboana, ny fanabeazana, ny fotodrafitrasa ary ny tontolo sosialy sy kolontsaina. Efa azo lazaina ho mitana ny rambony io, ary manamafy an’ilay fanasokajian’ny gazeriboky Forbes fa ny Renivohitr’i Madagasikara no renivohitra maloto indrindra aty Afrika, ary fahatelo maneran-tany. Vao ny Renivohitra izay fitaratr’i Madagasikara io, fa ireny efa nivoaka ireny ihany koa ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena momba ny taham-pahantrana isam-paritra izay faritra 2 ambonin’ny 90% ny tahan’ny fahantrana ; faritra 10 ambonin’ny 80% ; faritra 5 eo anelanelan’ny 70 hatramin’ny 75% ; Faritra 4 ambonin’ny 60%, ary ny Faritra Analamanga izay misy an’Antananarivo renivohitra dia eo amin’ny 56% ny tahan’ny fahantrana. Tsy resaka famoronana na fankahalana Fanjakana fa tena iaraha-miaina andavanandro izany. Ny vidim-piainana midangana, ny orinasam-panjakana mitolefika ny ankamaroany toy ny Jirama kanefa ny angovo no isan’ny ain’ny toekarena sy ny indostria. Ny Air Madagascar izay maty ary ny solony aza bokan-trosa ka misosoka ho azy ny kaompania vahiny. Ny làlana tapitra potika satria tsy voakojakoja izay tena miteraka fatiantoka ara-toekarena maro ankoatra ny fidangan’ny vidim-piainana. Oviana teo amin’ny tantara ohatra no tafakatra 2000Ar ny kapoakan’ny vary any amin’ny distrika sasany anatin’ny Faritra Sofia ? Ny tondro momba ny harin-karena isam-batan’olona na PIB/habitant dia any amin’ny faha-44 amin’ny firenena faha-54 aty Afrika raha ny filaharana navoaka ka tsy misy afa-tsy 1916 dolara isam-batan’olona rehefa rehefa refesina amin’ny fahefa-mividy ny salan’isa raha toa ka 39 662 ny atsy Seychelles, 29 164 ny any Maurice, ary i Comores izay nohambanian’Atoa Andry Rajoelina 5 taona lasa fa hampindramin’i Madagasikara vola aza rehefa izy no lasa filoha dia 3463 dolara isam-batan’olona. Maherin’ny 80% amin’ny Malagasy no miaina ao anaty fahantrana mandifotr’olona, miaina ambanin’ny 2,15 dolara na 10000Ar isan’olona isan’andro, 92,1% amin’ny Malagasy no miaina ambanin’ny 3,65 dolara isan’andro, ary zara raha 7,9% no mba mahatakatra an’izany.

TSY METY MANAIKY FA MIHAGISITRA I MADAGASIKARA
Ny tondro sy ny tarehimarika izay hita taratra amin’ny zava-misy no miteny, fa tsy ny serasera politika amin’ny hoe : « Madagasikara tsy maintsy mandroso » izay lasa fanesoana na sanatria fanompana ny Malagasy mihitsy hatreto. Mihemotra sy miha milentika i Madagasikara amin’ny lafiny maro: fahantrana, kolikoly, demokrasia, toekarena, sosialy,… Ireny mandeha ireny ny toromarika amin’ny tokony hisian’ny fanatsarana ny fitantanana, fanatsarana ny tontolon’ny fahafahana mampiasam-bola sy mandraharaha eto,… Ny tena zava-doza dia tsy mety manaiky ny mpitondra hoe gisitra isika, misy tsy mety,... ka misy zavatra tsy maintsy hahitsy. Mila fahaiza-mijery ny tena filàna sy vahaolan’ny firenena fa tsy tsy milalao vahoaka amin’ny haingo ambony tsikoko. Mila miezaka sy miasa mafy mihoatra ny hafa, fa tsy vitan’ny fampanofinofisana sy revin-gadra. Noho ny fahantrana, tsy fahombiazan’ny politikan’ny famoronan’asa, tsy fahatokisan’ny mpampiasa vola sy ny mpamatsy vola, tsy fisian’ny vahaolana ara-toekarena mahomby,… dia mitombo ho azy ireo tranga maneho ny fikorontanan’ny fiarahamonina, ny herisetra, fanolanana, tsy fandriampahalemana, fanaparam-pahefana, kolikoly,… Dia tena mbola sahy miteny ve ny Fitondrana fa mahomby izao fitantanana ankehitriny izao ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

20-mars-2025

Marihina isaky ny 20 martsa tahaka izao ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Frankofonia.

Card image cap
20-mars-2025

Ny governoran’Analamanga no naneho hevitra fa mety amin’ny any atsimo ny tetikasa

Card image cap
20-mars-2025

Mitsidika eto Madagasikara eto Madagasikara manomboka anio 20 martsa hatramin’ny rahampitso

Card image cap
19-mars-2025

Tonga amin’ilay soratra masina hoe «Izay ataonareo amin’ireny madiniky ny Tompo

Card image cap
19-mars-2025

Tsy misy ary tsy hisy Firenena handroso ao anatin’ny tsy fanajana lalàna sy Fanjakana tsy tan-dalàna izany.

Card image cap
19-mars-2025

Notontosaina omaly tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Antananarivo, etsy Analakely,

Card image cap