airtel

Politique

12-oct-2023

Mafampana Antananarivo anio

Hanao diabe koa ny volomboasary

Sample post image

Hanao dia eto Antananarivo ny TGV tarihin’Atoa Andry Rajoelina, raha ny taratasy hita omaly.

12-oct-2023

Hifamotoana etsy amin’ny 3frères Andrefan’Ambohijanahary amin’ny 9ora maraina, ka hiainga eo, handalo ny Jirama, Descours, Ankadimbahoaka, Namontana, Rond Point Angarangarana, Pharmacie Volahanta, Anosibe, ary hiverina ao amin’ny 3 frères. Ao anatin’ny vanim-potoanan’ny propagandy izao, ary ny kandida Rajoelina ihany moa hatreto no manao izany. Amin’ny lafiny iray dia zony tanteraka ny manao fihetsiketsehana, fa rehefa tarafina amin’ny sary politika miseho, dia misy endrika fiezahana handranitra sy hampiseho hery amin’ny ankilany satria efa namoaka vava rahateo I Andry Rajoelina fa raha vahoaka samy manana. Ny talata teo teny Anosibe, dia efa nisy ireo andian’olona nezahina nampiasaina hitabataba sy hanao sakana ny diabe am-pilaminan’ny Firaisankinan’ny kandida, ary omaly teny Tsiadana dia nisy ny loharanom-baovao azo fa efa misy “gros bras” niomana hanakorontana sy higafy tahaka ny fitoraham-bato, saingy niova làlana niazo an’Ambohipo moa ny diabe. Sanatrian’ny vava ve misy ny finiavana sy tetika hampifandonana mivantana ny vahoaka na “affrontement direct”? Tsara ny manamarika, fa tsenan’I Mahamasina rahampitso ka asa na fifandrifian-javatra ihany ny fiaingana tsy lavitra eo na ahoana?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap