Nanambara ofisialy ny tsy haha kandida hofidiana ho filoham-pirenena hatao any Sénégal ny 25 febroary 2024 intsony ny Filoha am-perinasa Macky Sall, araka ny fanambarana nataony ny 3 jolay teo. « Nandray izay fanapahan-kevitra izay aho rehefa nandinika lalina, tsy ho kandida. Izay no izy, na dia mbola omen’ny lalàmpanorenana fahafahana aza aho”, hoy I Macky Sall. Ny aprily 2012 no tonga teo amin’ny fitondrana I Macky Sall, ary nisy ny fikitihana lalàmpanorenana nataony ny taona 2016 nentina nampihenana ny taom-piasan’ny filoham-pirenena 7 taona ho 5 taona, izay nikendrena ny fahafahany mirotsaka fanintelony. “Tena tsy azo leferina ny fikendren’I Macky Sall ny hirotsaka sy hitondra fanintelony araka ny voafaritry ny lalàmpanorenana”, hoy ny Praiminisitra teo aloha Rtoa Aminata Touré. Nikasa ny mbola hirotsaka saingy tsy tafavoaka satria nangotraka ny fanoherana sy fihetsiketsehana tany Sénégal, ka namoahan’ny fitondrana didy famonjana 2 taona sazy mihatra I Ousmane Sonko mpitarika ny mpanohitra, nenjehina ho nanao kolikoly, saingy vao mainka nirehitra ny afo tany amin’ny fiandohan’ny volana jona satria tonga hatrany amin’ny fidinanana an-dalambe sy famotehan-javatra, namoizana ain’olona am-polony mihitsy,... Naleony tsy mirotsaka hisorohana ny fahapotehan’ny fireneny! Tsy ho afaka hirotsaka anefa Ousmane Sonko noho ny fanamelohana ara-pitsarana, ka mety ho mora amin’ny olon’I Macky Sall ny handresy. Isan’ny nandresy lahatra an’I Macky Sall ny Frantsay sy ny Amerikanina. Ara-jeopolitika, saika mikorontana avokoa ny ankamaroan’ireo tany firenena ao anatin’ny CEDEAO (Communauté économique des Etats d'Afrique de l'Ouest) ka heverina fa mailo amin’io ny tandrefana. Mitsoaka ny rivotra politikan’ny Rosianina amin’ny alalan’ny Wagner, Popov, ny sinoa, mahazo aina ny fanjakana islamika,… Efa tsy milamina I Burkina Faso, Mali, Guiné-Bissau,… ka ho mora ny fisosohan’ireo raha hikorontana ihany koa I Sénégal. Asa hanao ahoana ny eto Madagasikara ? Stratejika be ho an’ny tombotsoan’ny Tandrefana indrindra fa i Lafrantsa isika. Ankoatra ny fifamatorana ara-politika sy tantara, dia eo ihany koa ny fisian’ny antsoina hoe: “zone d’influence” an’ny Frantsay amintsika sy ireo manodidina, ny fisian’ny “territoire française ultra-marin” sy ireo departemanta Frantsay aty amin’ny ranomasina Indianina, ireo Iles Eparses, ny harena aty Afrika,... Hanao randran-tarihina aty amintsika ve io sary politika miseho ao Sénégal io noho ny toe-draharaha politika mafana toa itovizana amin’izao mialohan’ny fifidianana izao? Mety hamaritra ny toe-draharaha politika ny ho fahatongavan’ny Minisitry ny raharaham-bahiny Frantsay Rtoa Catherine Colonna izay tokony ho tonga rahampitso 7 jolay saingy voalaza fa nihemotra indray. Hanaja tena sy hisafidy ny hivoaka amin’ny varavaram-be tahaka an’i Macky Sall ve ny Filoha Rajoelina sa hanamafy ny hambo-po politika sanatria mety hanaovana sorona ny firenena indray ?
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby