airtel

Politique

03-mai-2023

Politique

Mahajanga Nahasosotra olona maro ny atao amin’i Ahmad

Sample post image

Tonga namaly ny fampanantsoan’ny Bianco Mahajanga azy ny Filohan’ny Kaonfederasionina Afrikanina ho an’ny baolina kitra na ny CAF teo aloha Atoa Ahmad Ahmad.

03-mai-2023

Raharaha tany saika novidiana tany Soalala, niainga tamin’ny fitorian’olona tsy nitonona anarana no anton’ny fitoriana. Nanaraka ny lalàna ny fampiantsoana, saingy tsy misy hidiran’I Ahmad Ahmad, hoy ny mpisolovava azy. Olona ahiahiana anefa no voalaza fa anton’ny fampanantsoana, kanefa voalaza fa ny ben’ny tanàna no nanao fanararaotam-pahefana ary I Ahmad no nolazaina fa nahazo tombotsoa, raha ny fanazavana. Tsy nividy ny tany saika hanaovany fandraharahana anefa io. “Izaho tsy tia kolikoly, niangavian’ny depioten’I Soalala izaho hanao hotely fa tsy mba misy any, rehefa nahita an’io dia niresaka tamin’ny ben’ny tanàna amin’ny ahafahana manamora azy”, hoy izy. Nisy olona anefa tonga taminy naka vola ka najanony. Nilaza I Ahmad fa nanindrona azy teo amin’ny fianany ny nanolorana azy ny fampanantsoana teny amin’ny seranam-piaramanidina kanefa vao avy nanao fivahinina masina tany La Mecque “Afaka miaina eran-tany aho raha ny vola ananako, tsy miambo aho, raha jerena amin’ny vola miditra amiko ara-dalàna”, hoy I Ahmad. “Rehefa nanomboka ianareo (Bianco), izay tsy mety rehetra eto dia hotoriantsika any dia ho hitantsika eo raha mandray andraikitra”, hoy hatrany izy. Vao maraina moa dia efa feno olona nanamorana ny sisin-dranomasina sy ny Bianco tao Mahajanga. Efa niantrana ihany koa ny mpitandro filaminana mirongo basy. Tsy hetsika politika fa firaisan-kiana eo anatrehan’ny ambara fa fih
etraketrahana atao amin’ireo olobe eto Mahajanga, hoy ireo mpitarika nahitana an-dry Afakandro Christian . Nambarany fa maro no tsy mitovy firehana, fa miray feo sy miray fo manotrona an’I Ahmad izay sokajian’izy ireo ho Raiamandreny. “Misy ny fanavakavahana sy fanilikikilihana, betsaka ny jiolahim-boto, mpangalatra harem-pirenena, betsaka no efa nitsoaka any ivelany,… saingy vitavita ho azy, fa misy no toa mora no managadra azy. Oloben’I Mahajanga miisa 3 no nampanantsoina amin’izao (Pr Rabesa Zafera Antoine, Navony Pierre Le Noble, Ahmad Ahmad), ka tsapanay fa misy fampihorohoroana satria tsy manana firehana miaraka amin’ny Fanjakana, olobe mahatarika olona”, hoy ny fanambarana izay nilaza mihitsy hoe: raisinay ho fametavetana ny zanak’I Mahajanga izao. Na izany aza, niantso ny hiarovana ny tanàna manomboka izao I Ahmad, saingy nilaza fa avy aiza na avy aiza rehefa manana tombotsoa ao Mahajanga dia zanak’I Mahajanga, ary tsy misy tokony hasiana fivoizana resaka foko sy fihaviana izao. Asa hanao ahoana ny tohin’ity raharaha niantsoana azy ity fa hita taratra aloha dia nafampana tao Mahajanga.

Toky R


 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap