airtel

Politique

18-avril-2025

MAHANA TAMIN’NY NATAO

Izay rehetra maneho hevitra hafa dia hanongam-panjakana ?

Sample post image

MAHANA TAMIN’NY NATAO Izay rehetra maneho hevitra hafa dia hanongam-panjakana ?

18-avril-2025

Lasa marika ahafantarana ity fitondrana Rajoelina ity ny fanaovana don-tandroka amin’ireo izay maneho hevitra mifanohitra amin’ny eritreriny. Mivoaka ny karazana voambolana sy fehezanteny avy any amin’ny manampahefana avy eo hoe : manakorontana, tsy nahazo alalana, manohintohina ny filaminana, manala baraka ny firenena, avelao ny olona hiasa, manohitra ny fandrosoana.
MAHANA TAMIN’NY NATAO
Rehefa tena miitatra moa ilay izy dia lazaina mihitsy hoe mikonokonona fanonganam-panjakana. Lazaina anefa hoe maivana ny mpanohitra, ka maivana ve ahavita hanongana fanjakana ? Raha ny tena marina, hoy ry zareo mpanohitra dia matahotra mafy ny manampahefana satria ry zareo ireo naka fahefana tamin’ny alalan’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009. Ka izay rehetra mihetsiketsika, mivory, maneho hevitra an-dalam-be tonga dia hoe hanongam-panjakana amin’izy ireo. Etsy ankilan’izay , raha mbola hoe firenena demokratika, izay aloha hatreto i Madagasikara, dia mila mahazaka ny karazana fanehoan-kevitra ny rehetra. Ary tsy tokony ho adinoina fa ny zavatra iray anie arakaraka ny handraràna be fahatany azy no vao miha manetsika ny lohan’ny olona hanao azy e.
ETIKA
Ireo firenen-dehibe mandroso rehetra ireo, dia henjana be ny fanehoan-kevitry ny mpanohitra any amin’izy ireo. Tena mbola maivana ny zava-mitranga eto Madagasikara, raha oharina amin’ny ataon’ny mpanao politika any amina firenen-kafa. Fepetra takiana ao anatin’izany rehetra ihany kosa anefa ny fananana etika politika sy soatoavina amin’ny fanaovana politika. Tsy mety ilay politikan’ny sakaizan’ny mpandresy sy ny politikan’ny any amin’izay maha tolotolotra fanomezana sy vola be. Sarotra ny inoana fandrosoana sy fivoarana raha mbola hevitra tokana no terena ho eken’ny rehetra eto, mila mahay mifampihaino ary mila mahay mandrindra sy mandamina ny mpitondra fanjakana, nampindramina ny fahefana fa tsy hoe hampitahotra sy hisambotra ary hanagadra foana.
RTT
 

Dans la même rubrique

10-nov-2025

Mankato ny Kolonely Michael Randrianirina

Card image cap
10-nov-2025

ny fanapahan-kevitra taitaitra

Card image cap
10-nov-2025

fitondrana izao, hoy ny Pr Joseph

Card image cap
10-nov-2025

Efa nanantitrantitra ary nampiaka-peo

Card image cap
07-nov-2025

andresena ny fitsabahan’ny any ivelany»

Card image cap