Etat désorganisé” raha ny fijeriko manokana, hoy I Atoa Rabenandrasana Mahazaka kandida depiote tao amin’ny Boriborintany voalohany eto Antananarivo ny taona 2019, raha nanontaniana mikasika ny toe-draharaham-pirenena. Samy manana ny heviny sy samy ny seraserany, fa ny zavatra hita dia mikorontana ny firenena ka mila alamina satria tsy hisy hanana tombotsoa amin’ny korontana, ary ny resahin’ny tsirairay rahateo dia hampandroso. Aminy, tsara ny mpanao politika raha mifandamina satria tsy hiala eto isika, mila fivoarana ny Malagasy. Anisan’ny efa fandaminana ny fifampidinihana heverina fa hotarihin’ny FFKM, fa ny tena fandaminana hitako dia ny mpanao politika izay efa tena tsy mifankazo intsony, fa misy fifanakavakavahana, hoy izy. Mikorontana foana, ka mila alamina, tsy vitan’ny olona roa ihany koa ny fandaminana fa ny mpikatroka rehetra. Tsy maintsy misy manao fifandeferana. “Miantso ny Filoha Rajoelina mihitsy aho hanao izany, na izy manala ny zom-pirenena vazaha azy, na izy tsy milatsaka, fa io dia na izy mandamina na izy manakorontana. Izay ihany, any aminy vahaolan’io”, hoy I hatrany Rabenandrasana Mahazaka. Nambarany fa tsy mahamaika ny fifidianana. “Handeha any amin’io, dia alaivo sary an-tsaina hoe: ho lany I Andry Rajoelina dia hilamina ve io? Tsy hilamina ny firenena! Raha misy olona hafa ho lany eo, dia hieritreritra ve ianareo fa hilamina ny firenena? Hanaiky ho resy ve izy? Fanontaniana betsaka no mila valiny, ka any amin’ny mpanao politika ny vahaolana satria olana politika io”, hoy hatrany I Mahazaka. Aminy anefa, dia tsy misy zavatra tsy ahitam-bahaolana izany rehefa ny mpanao politika no miara-mandray ny andraikiny, tsy maintsy hisy zavatra ahafaha-mandamina azy, fa tsy maintsy manetry tena ihany amin’ny fitadiavana izay vahaolana izay. Tena ny Malagasy mihitsy mantsy, hoy izy, no mizaka ny vokan’ny olana politika eto Madagasikara. “Ny mpanao politika no fototry ny olana ka ireo ihany no vahaolana, tsy hoe: avy any amin’ny fitondrana na avy amin’ny fanoherana fa tsy maintsy tambabe anankiray, ohatran’ireny vahaolana tamin’ny Fifanarahan’ny 31 oktobra 1991. Misy vahaolana eo, ka tsy maintsy iarahana sy mila tapahana izany, fa raha hiroso amin’ny fifidianana amin’izao dia ho sahirana eto isika, firenena misavoritaka, dia ho fifidianana misavoritaka” , hoy hatrany Rabenandrasana Mahazaka.
Toky R
Nanapa-kevitra ny hiara-dia amin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina I Patrick Raharimanana
Nanindry mafy omaly my depiote Keron Idealson, voafidy tao Ampanihy andrefana fa tsy azo vakivakiana amin'izay
Variana amin’ny toe-java-misy ankehitriny aho, hoy ny mpahaifiarahamonina politika sady filohan’ny antoko politika Ny Fireneko, Paul Rabary,
Manoloana ny zava-miseho ankehitriny eo amin’ny sehatra politika, ny antoko politika Maitso hasin’i Madagasikara,
Taorian’ireo fihaonana samihafa nataon’ireo kandida toy ny tamin’ny FFKM, tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena,
Niresaka ny praiminisitra fa tsy azo ivalozana ny didy navoakan’ny HCC, hoy ny antoko politika Fiombonana.