airtel

Politique

01-févr-2022

Politique

Mahery Lanto Manandafy 6 volana sazy mihantona, lamandy 6 tapitrisa Ar

Sample post image

Naharitra ora maro ny fiandrasana ny fivoahan’i Mahery Lanto Manandafy tao amin’ny Sampan-draharaha misahana ny heloka an’habaka na “Cybércriminalité”

01-févr-2022

 eo anivon’ny Polisim-pirenena etsy amin’ny Borigady mihasahana ny heloka bevava omaly alatsinainy 31 janoary 2022. Tsiahivina fa hatrany fa nampanantsoina ny sabotsy lasa teo, ary notanana 48 ora avy hatrany niandry fampanoavana omaly. Raha tamin’ny 8ora sy sasany maraina no voafaritra fa hiakarany fampanoavana, dia efa tany adin’ny 6 teo ho eo taorian’izay, vao nandeha izany. Tsy niandry ela kosa anefa ny didim-pitsarana, izay azo sokajiana haingana indrindra tao anatin’ireo raharaha fanenjehana ara-politika nisy. Sazy mihantona enim-bolana an-tranomaizina miampy lamandy 9 hetsy ariary, sazy mihatra lamandy 6 tapitrisa ariary no azon’i Mahery Lanto Manandafy. Ireo no didy teo anatrehan’ny fitorian’ny Fitondram-panjakana azy ho nanaparitaka vaovao tsy marina sy naniratsira ny filoham-pirenena sy ny andrim-panjakana. Misy antony ao matoa haingana be tsy toy ny fahita hatrizay ny fitsarana, ary tsy takona hafenina ny fisiana didy politika. Efa fanao sy fahita izany sazy mihantona izany, izay fomba natao hanapenam-bava, ary heverina fa natao hampitandremana ny hafa ity raharaha Mahery Lanto Manandafy ity. Tombanana ho sarotra ho an’ny Fanjakana eo anatrehan’izao tanjany izao ny hanagadra olona noho ny politika. Ity zanak’Itompokolahy Manandafy Rakotonirina ity, izay isan’ny nahatezitra ireo zanak’i ny Faritanin’i Fianarantsoa ity ny fanenjehana azy. Ny fifidianana anefa efa akaiky, ny taham-pitiavan’ny olona ny fitondrana efa mijotso andro aman’alina, ka mety mba kajikajiana ihany sao hisy fahagagana ihany. Nilaza ho ho afa-po tamin’ny didy nivoaka moa i Mahery Lanto Manandafy, ary tsy hanao fampiakarana na “appel”. “Tsy maintsy hiteny aho momba ny raharaham-pirenena saingy ny faniratsirana ny Filoham-pirenena no tsy atao intsony”, hoy i Mahery Lanto Manandafy.
VOAANTSO ENY AMIN’NY ZANDARY INDRAY
Raha ny loharanom-baovao, voaantso etsy amin’ny Borigady misahana ny heloka bevava anio amin’ny 2ora tolakandro. "Mbola tany amin'ny polisy aho tamin'ny Sabotsy no efa nokasain'ny zandary avy ao amin'ny section brigade de recherche alaina saingy tsy nomen'ny polisy. Nitohy hatraty amin'ny fitsarana izany, na dia efa vita famotorana avy ao amin'ny “procureur” aza aho dia mbola notadiavin'ny zandary alaina ihany. Tranga izay toa hafahafa ihany " hoy i Mahery Lanto Manandafy. Misy ifandraisany tamin’ny fanontaniana napetrany ve hoe; “Colonel Mamisoa moa ny ao ambadiky ny infocom seg ? Sa le Herilalatiana ?” taorian’ny famoahan’ny penjy Infocom seg, izay nandiso ilay resaka nandeha fanontaniana momba ny fahatapahan’ny tetezana tany Moramanga, ka nanasokajiana ny nanao izany ho mpanely tsaho, ka fahavalom-pirenena mpanakorontana saim-bahoaka ary handraisana fepetra. Efa tratran’ny ohatran’io i Ravo Nambinina Ramasomanana izay notorian’ny zandarimariam-pirenena noho ny taratasy fiantsoana azy niparitaka kanefa nisy laharan’ny zandary, ka heverina fa noho ny fanononana anarana zandary no mety isan’ny hampiatsoana an’i Mahery Lanto Manandafy.
Toky R
 

Dans la même rubrique

30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap
30-avril-2024

Nandroso kabary tsara lahatra indray ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina tany amin’ny Fivoriamben’ny IDA

Card image cap
30-avril-2024

Tafapetraka ny mpikambana tsy maharitra ao amin'ny CENI ho an'ny kandidà laharana faha 6

Card image cap