mpanao politika goavana isany nanamarika ny tolona 1972, ity no nampidirana azy amponja rehefa notorian’ny vazaha lahy teratany frantsay, ho nanala baraka azy rehefa nokororohin’i Malama teny amin’ny tambazotran-tserasera ho mpamatsy bala ny dahalo. Nivoaka ny fonjan’Antanimora nitazomana azy vonjimaika izy ny faran’ny taona 2022 rehefa tapitra ny telo volana ka tsy nisy nanalava didy ny fitazomana azy. Mpitsara roa no niharan’ny fampiatoana tamin’ny asany mandritra ny enim-bolana vokoatr’io. Tsy naharitra anefa izany fahafahan’i Malama izany fa 4 andro taorian’ny nivoahany ny fonja dia nosamborin’ny zandary indray izy, ho fampiharana didy tamina raharaha hafa ny taona 2021 izay tsy natrehiny ny fitsarana noho ny nambaran’i Malama fa nisy tsy fahatomombanana teo amin’ny fombafomba ara-pitsarana. Naverina ao Antanimora i Malama ary nohenjanina ny fitazomana azy am-ponja. Nafangaro tany anaty “vahoaka mihinana gagazo”. “Nalefanareo tany amin'ny fonja mafy indrindra aho ato Antanimora. Hitanay ary tsapanay ny tena fahoriana aty am-ponja. Mafy ary tena marary ny iainan'ireo gadra. Anefa izany tsy nahakivy anay fa vao maika nataonay Fanilo. Betsaka ny tsy "tonga mama", tsy misy hantenaina hivelomana raha tsy ny "gagazo" ary aman-taonany. Ny malemy indrindra amin'ireny dia resy miandry fahafatesana. Raha sendra tara moa ny fianakaviana dia manao ny asany ny voalavo”, hoy i Doris Rakoto Samuel mitatitra ny zavatra iainan’i Malama vadiny, any am-ponja. Tsy nanaiky ny sain'i Mahery, hoy izy, ary dia “nanapa-kevitra izahay mivady fa hamahana vary ireo gadra mahantra sy marary indrindra”. 120 isan'andro teo ampiandohana ary nakarin’i Malama ho 250 ireo « tsy tonga mama » omena vary ary 15 ireo tena reraka voan’ny raboka omena lasopy legioma ho tohan’aina. “Tsy hoe werawera fa vonjy aina”, hoy ilay “gadra lasa samaritana tsara fanahy” satria tsy afaka hijery fotsiny izao fahoriana be izao na dia mihatra amin’ny fiainan-tokantrano aza izany. Mafy ny adidy fa tsy maintsy raisina, hoy i Doris. Tsy miady irery izy mivady fa misy mahita sy mahatsapa fa rariny ny tolona ataon’i Malama miaro ny madinika, miady amin'ny tsindry hazolena, dia manohana sy manampy. Misy ny avy eto an-toerana ao koa ny avy any ivelany toy ny VVSD (Vehivavy vonona sahy Diaspora). Noraketin’izy ireo amin’ny boky volamena moa izany fanampiana izany ho an’ny taranaka. Mahavita roa herinandro eo ny vaangona hatreto, hoy i Doris.
Jean D.
Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.
Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,
Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia
Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,
Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.
Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,