Malama” omaly 03 janoary 2023. Ity farany, izay vao nivoaka ny fonja ny 31 desambra 2022 teo rehefa avy nogadraina vonjimaika nanomboka ny 30 septambra 2022 noho ny raharaha nitorian’ny teratany vahiny iray azy, noho ny filazan’ity farany fa mpamatsy bala ny dahalo ilay vazaha antsoina hoe Olivier Blancard. Raha mbola tsy mazava ny tena tohin’iny raharaha bala iny dia zavatra hafa indray ity nampidirana azy am-ponja ity. Tohin'ny raharaha Benessy izay namoahana didim-pitsarana sazy an-tranomaizina 1 taona any Ambalatavoahangy Toamasina ity niantsoana an'i Mahery Lanto Manandafy teny Fiadanana ity. Didim-pitsarana laharana 2669-CO nivoaka ny 17 desambra 2020 izy io, ary voalaza fa namoahana didy fampisamborana izy tamin'ny 31 desambra 2020 ka izo izao vao mihatra io. Raha hiverenana, ny famoahana tao amin’ny Facebook hoe "Matin'ny Covid19 ny Senateur/ Dr Benessy Harrison Sebastien” ny 01 jona 2020 no niaingan’io. Ny rain’ity farany anefa no maty fa tsy izy, ka nitory an’I Malama noho izany i Dr Benessy Harison Sébastien, Senatera am-perinasa tamin’izany sady Talen’ny OMSI (Organisation Médico-sociale Interprofessionnelle) Toamasina. Notanana vonjimaika tao amin’ny Fonjan’Ambalatavoahangy Toamasina izy ny zoma 19 jona 2020, ary navoaka telo andro taorian’io. « Momba an'i Docteur Benessy, efa nataoko ihany moa ilay izy ny andron'iny fa mbola mamerina fialantsiny ampahibemaso eto ary miombon-kalahelo amin'ny voina nahazo azy. Saingy na izy aza tsy nahalala akory hoe : « transféré » aty Toamasina aho », hoy i Malama rehefa naneho fisaorana ireo nanampy azy tany am-ponja taorian’ny fivoahany. Ny mahagaga, nahoana no taorian’ny fivoahany avy tany am-ponja vao andro vitsy no nifoha indray ity fampiharana didim-pitsarana ity, fa tsy vao nivoaka dia nihatra avy hatrany? Mbola sangodim-panina ihany koa ny tohin’ny raharaha nanenjehana azy tamin’ilay resaka ampamoaka momba ny bala hoe: naravona ve ny raharaha ka antony nivoahany ny fonja? Misy ifandraisany amin’ny fifamaliana sy fifandrahonana eo aminy sy ireo mpanao gazety sy mpisintona lakolosy namany teo aloha saingy lasa mifanjinja aminy ve izao? Vao nivoaka ny fonja mantsy I Malama, dia toa nipotsapotsaka ny fifanaovana ampamoaka sy fifanaratsiana, ary tonga hatramin’ny fandrahonana fa hifamotika. Tsara ihany koa moa no mampahatsiahy fa nahazo sazy mihantona: 6 an-tranomaizina miampy lamandy 9 hetsy ariary izy ny 31 janoary 2022 noho ilay raharaha famoaham-baovao momba ny tetezana tany Moramanga sy nohenjehina ho naniratsira ny Filoham-pirenena.
Toky R
Fitakiana io ary zon’ny rehetra ny midina an-dalambe, tena zo izany ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay tsy
Mizara roa ny fanaovana politika, ka misy ny mitaky ny hanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny fanjakana tan-dalàna
Ho mafy ity tolona ity, hoy ny mpitarika ny Hetsika fotsy, Hary Razafindrazaka! Be loatra, hoy izy,
Namoaka fanambarana manamafy ny hisian’ny fitarihana vahoaka eny amin’ny Kianjan’ny 13 may anio
Anio ny fotoana voatondro hisian’ny fidinana an-dalambe eny amin’ny Kianjan’ny 13 may
Araka ny efa nampozina sy efa mahazatra, namoaka fanambarana ny OMC (Organe Mixte de Conception)