airtel

Politique

02-janv-2023

Politique

Mahery Lanto Manandafy « Tsy mampatahotra ahy ny migadra, mitohy ny tolona »

Sample post image

Nivoaka ny fonja ny faran’ny taona 2022 teo ny mpampaneno lakolosy an-tambazotran-tserasera, Mahery Lanto Manandafy na Malama,

02-janv-2023

rehefa tapitra ny fe-potoana voafaritry ny lalàna ahafahana mitana azy am-ponja vonjimaika na MD 3 volana. Tafavoaka ihany, hoy ny tenany, ary tsy nihambahamba izy nanamafy fa mitohy ny tolona! Tsy misy manaiky hoe izany vazaha hizara basy izany eo, hoy izy. Efa hitako izao ny migadra ary tsy mampatahotra ahy izany. Efa haiko izany. Tantano tsara ity firenena ity . Arako tsara ny vaovaon'ny antenimieram-pirenena sy ny resaka volam-panjakana lany, hoy hatrany ny tenany. Nirary soa ny malagasy rehetra moa, ankoatran’izay, i Malama noho izao fahatongavan’ny asaramanitra izao. Araka ny tatitra nataon’ny vadiny, Doris Rakoto Samuel, fony izy tany am-ponja farany teo moa dia nilaza I Malama fa hisy ny fipoahana aorian’ny fety. Arahana akaiky hatrany ny tohin’ity raharaha ity. Ahoana kosa ny mikasika ireo voatazona am-ponja vonjimaika hafa noho izay resaka fampanenoana lakolosy an-tambazotran-tserasera izay hatrany ?
J. Mirija
Legende: Malama mivady
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap