airtel

Politique

04-déc-2020

Politique

Maitre Olala “Manosika ny olona ho tia ny mpanohitra ny mpitondra”

Sample post image

Maro ny zava-niseho teto amin’ny firenena tato ho ato, hoy ny mpahay lalàna,

04-déc-2020

 

 

Willy Razafinjatovo na Maitre Olala, tetsy amin’ny fonenany etsy Ankadifotsy omaly. Ny antony izao vao hitenenako dia satria tany repoblikana sy misy demokrasia i Madagasikara. Ilay mpitondra izany no heveriko sy nandrasako mba hiteny manoloana ireny zava-niseho rehetra ireny hoe tsy mety ny ataonareo ry mpitandro filaminana na tompon’andraikitra sahala amin’izao. Voatery miteny aho ankehitriny. Tamin’ny andron’ny HVM dia tratry ny zavatra toa ireny mahazo ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, ireny ny filoha ankehitriny, Andry Rajoelina. Nisy lanonana natao nanafaran’i ben’ny tanànan’i Mahajanga azy tamin’izany hitokana lalana dia nanaovan’ny fitondram-panjakana tamin’izany fomba tsy mety ka nosakanany. Noheverin’ny filoha ankehitriny tamin’izany fa tsy rariny sy hitsiny ary tsy demokratika ny nataon’ny HVM. Ankehitriny anefa dia izany noheveriny fa tsy rariny tamin’izany ihany no averiny amin’ny olona. Sady tsy demokratika no tsy ao anaty lalampanorenana anefa ireny. Averiko ihany fa tsy toetra tahaka izao akory no hitomboan’ny fitiavan’ny olona hafa fa adidy hafa no andrasany aminareo. Manosika ny vahoaka ho tia ny mpifanandrina aminy ny mpitondra, izany hoe ireo manohitra ny fitondrana syny  tsy mitovy hevitra aminy, hoy hatrany ity mpahay lalàna ity, raha ireny no ataony ary manilika ny mpiaradia aminy izy amin’ireny.

J. Mirija

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap